19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray  ny rahalahiny.

I Jacques no anaran-drainy ary nanana fahalalana momba ny fivavahana ka nahazo tombony tamin’izany ireo zanany. Hain’i Jean Eudes no nanararaotra io fanabeazana azony io. Ka mbola zaza izy indray andro, nisy namelaka tehamaina azy ny iray tamin’ireo namany dia nandohalika izy ary natolony ho an’io koa ny takolany iray. Izany moa dia araka ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanao ny voadin’ny fahadiovana ary efa nampiseho sahady ny zotom-pony tany am-pianarana tao Caen. Ny fitavany manokana an’i Masina Maria no nahatonga azy hitondra peratra ho an’ny fofom-badiny. Vao vita ny fianarany dia efa nanomboka niofana ho pretra. Nifidy an’i père de Bérulle ho mpitantana ara-panahy izy. Niditra tao amin’ny oratoire ary nohamasinina ho pretra tamin’ny 24 desambra 1625, tao Paris.

Ny asa pastoraly voalohany nanirahana azy dia ny fanampiana ireo olona voan’ny pesta tao Normandie. Tsy nisy olona sahy nampiatrano azy tao Caen ka nandritra ny herinandro maro izy no nitoetra tao anatina bariaka tany ivelan’ny tanana. Tao France tamin’ny ady momba ny fivavahana dia tsy nahalala ny fivavahana ny olona. Mba hitsaboana izany dia namakivaky an’i Normandie izy, Bourgogne sy ny Iles-de-France ary toerana maro hafa koa. Ny fahaizany miteny manintona ny olona sy ny fahamasinany dia nisy fiantraikany tamin’ny rehetra nisy teo amin’ny fiaraha-monina. Araka ny nambaran’i Jacques Vincent Ferier hoe : “Mbola tsy nahita misionera niasa niaraka tamin’ny vahoaka maro toy izany aho”.

Mba ahafahana mahazo dimby ho an’ny pretra dia nanokatra seminera tao Caen i Jean Eudes, izay manokan-tena ho amin’ny Fo Masin’i Jesoa sy ny Fo Madion’i Maria izay nantsoina hoe “Congregation de Jésus et de Marie” io fikambanana io, na koa antsoina hoe Eudistes. Nahomby izany ka vetivety dia nahazo pretra tsara hofana sy tsara toe-panahy izy ireo, indrindra izany fa ny diosezy tao Normandie. Nampiany tamin’ny fanofanana ireo ny pretra ireo ny asa pastoraly any ambanivohitra. Tao Caen, nanorina fikambanana ihany koa izy hijery sy hikarakara akaiky, mba hampaharitra ny olona hibebaka. Mahaleo tena ireo trano ireo. Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Mompera Eudes dia miisa efatra ireo ka lasa valo taty aoriana. Iray amin’ireo mampalaza an’i Mompera Eudes dia ny maha mpialoha lalana azy tamin’ny fanajana manokana ny Fo Masin’i Jesoa sy ny Fo Madion’i Maria. Efapolo talohan’ny fisehoana tao Paray-le-Monial dia nasainy nankalazain’ireo pretrany ny Sorona Masina manetriketrika fanajana ireo Fo Masina ireo sy ireo ho apôstôly eo amin’ny iraka ataony. Ny papa Léon XIII no niantso an’i père Eudes hoe mpanorina ireo fombam-pivavahana amin’i Fo Masin’i Jesoa sy Maria. Ary tamin’ny fanandratana azy ho olotsambatra ny papa Pie X dia nanambara fa i Jean Eudes dia ray, mpampianatra ary apôstôlin’io fanajana manokana io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...