17 aogositra — Teraka tao Silésie ny taona 1200 i Masindahy Hyacinthe ary nodimandry tao Cracovie ny 15 aogositra 1257. Nihaona tamin’i Masindahy Dominique tao Roma izy ary tonga mpianany tao amin’ny fikambanana Frères precheurs.

I Masindahy Dominique no nandray ny fanokan-tenany ary izy ihany koa no naniraka azy hitory ny Vaovao Mahafaly tany Pologne. Ny taona 1222, nanorina ankohonam-piainana tao Cracovie izy, avy eo tao Dansk talohan’ny nanorenany tao Kiev. Nitondra fiovana lehibe tao Pologne i Hyacinthe ary tsy tambo isaina ireo nibebaka. Ny fiainany mantolo dia natokany ho an’ny fitiavana, ny fanompoana ireo farahidiny. Ny fiainan’i Masindahy Dominique no nianarany ka tsy nanana efi-trano afa-tsy ny fiangonana izy ary tsy nanana fandriana afa-tsy ny tany. Mandritra ny alina dia mamola-tena amin’ny rojo vy izy, ary mifady hanina.

Maro ny fahagagana sy ny fahasoavan’Andriamanitra azo tamin’ny alalan’i Masindahy Hyacinthe, ohatra amin’izany ny fanalana ny demony sy ny fanasitranana ny marary. Fa indray andro koa dia tsy maintsy nita rano izy. Ka ny akanjony no novelariny teo amin’ilay renirano mba hiampitan’ireo namany. Tsy maintsy nandositra ireo Tartares izy, ka nentiny nandositra niaraka tamin’ny Sakramenta Masina, sao ho zimbazimbain’ireo mpanafika. Vao nandao ny fiangonana izy dia nisy feo avy ao amin’ny sary vongan’i Masina Maria niangavy azy koa mba hitondra azy. Tokony ho eo amin’ny valon-jato livres eo ny lanjan’izy io, ary tamim-pinoana lalina no nandraisan’i Hyacinthe ilay sary tamin’ny tanany an’ila ka tsapany fa maivana kely ilay izy. An-tongotra no niampitany ny reniranon’i Borcitene ka toy ny nandeha tamin’ny tany maina ihany izy namakivaky ilay renirano. Fa ireo mpianany teo ambon’ilay akanjo mivelatra natao solon’ny lakana nanaraka azy avy eo. Tamin’ny fisehoan’i Masina Maria tamin’ny izay nankahery azy no nahalalany mialoha ny andro hafatesany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...