14 aogositra — Teraka ny 07 janoary 1894 tao Zduńska Wola i Maximilien Marie Kolbe. Raymond Kolbe no anarany fa taty aoriana vao lasa Maximilien Marie Kolbe.

Tamin’ny fahazazany dia nahita an’i Masina Maria tao Częstochowa izy ary nampisafidy azy io vehivavy io ny hoe “Inona no tianao ny satro-boninahitra fotsy ho an’ny fahamasinana na ny fahadiovana sa ny satro-boninahitra mena ho amin’’ny maha martiry”. Samy neken’i Raymond Kolbe izy roa ireo. Nanapa-kevitra ny hifidy ny fianana maha pretra àry izy ary niditra tao amin’ny fikambanana Franciscains conventuels ka ny 18 aprily 1918 izy no nandray ny laharana maha-pretra. Nanorina ilay hoe “Mission de l’Immaculée” izy, izay nanana ny haim-panahy nifototra tamin’ny fanoloran-tena tanteraka amin’i Masina Maria tsy azon-keloka, ary mba ho fitaovana eo am-pelatanany. Ny janoary 1922 izy no namoaka ny gazety hoe “Chevalier de l’Immaculée”. Ny aogositra 1927 izy no nanorina ilay tananan’i Maria tsy azon-keloka antsoina amin’ny fiteny polognais hoe “Niepokalanow”, ao akaikin’i Varsovie izy io ; azontsika antsoina ihany ko amin’ny teny frantsay koa hoe “Cité de l’Immaculée”. Io toerana io dia azo andraisana relijiozy miisa valonjato eo ho eo. Tamin’izany toerana izany dia nasiany ny trano fanontana boky sy ny radio, izy raha teo koa moa “Radio amateur” fantatra tamin’ny anarana hoe “Sp3rn” ary ireo dia natao indrindra hanapariahana ny fanajana an’i Masina Maria. Asongadina amin’izany ny misterin’i Maria tsy azon-keloka tamin’ny fototra. Efa nanao ireo asa pastoraly ireo tany Japon koa i Raymond Kolbe. Ny taona 1939 no nampiantrano ireo mpitsoa-ponenana polognais sy ireo jody izy. Ny 17 febroary 1941, nosamborin’ny Gestapo àry Maximilien ka nalefa tany amin’ny fonja tany Auschwitz ary nitondra ny laharana 16670.

Ny jolay 1941 nisy olona iray tsy hita tao amin’ny “Bloc 14”, efitrano nisy an’i Mompera Kolbe. Nifidy olona folo ireo Nazi ary nosazian’izy ireo ho voaheloka ho faty amin’ny mosary sy ny hetaheta ireo olona ireo mba tsy hisian’ny fandosirana intsony. Nanolo-tena ary i Maximilien Kolbe hisolo ity raim-pianakaviana iray Franciszek Gajowniczek. Naidina tamin’ny toerana iray zara raha nisy tara-pahazavana izy ireo. Rehefa afaka andro vitsivitsy, noana sy nangetaheta ireto voafonja ka dia nifamono ; vitan’i Mompera Kolbe anefa ny nampangiana sy nitarika azy ireo hivavaka. Izany rehetra izany dia tamin’ny alalan’ny vavaka no nahafahan’i Mompera Kolbe nanao azy. Afaka tapa-bolana dia i Mompera Kolbe irery sisa no velona, ary hitany avokoa ny fomba nahafatesan’ireo namany. Ho azy manokana dia notsindromin’izy ireo Fenol ny sandriny ary nodorana tamin’ny fatana fandorana izy ny 15 aogositra.

Ny taona 1971 izy no nasandratra ho olontsambatra. Ary ny 10 oktobra 1982 no nasandratry ny papa Joany Paoly II ho olomasina. Marihina fa nanatrika io fotoan-dehibe io i Franciszek Gajowniczek ilay navotany tany amin’ny fonja. Nambara fa sady mpampikônfesy i Kolbe no martiry. Ny jolay 1998 no notokanana ilay sary lehibe maneho ny endriny ao amin’ny varavarana andrefan’ny trano fitokana-monina tao Westminster tao Londres.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...