31 jolay — Teraka tao Loyola tao Espagne ny taona 1491 i Masindahy Ignace. Niasa tao amin’ny lapan’i Ferdinand V izy, avy eo dia nirotsaka ho tafika mpitaingin-tsoavaly. Tsy dia noraharahiny loatra izany hoe fiainana maha kristianina izany fa dia ny fieboeboana sy ny rendrarendra no tena nitarika azy teo amin’ny fiainany.

Raha tsiahivina dia tao Pampelune izy no tratran’ny bala ny tongony havanana ary efa nandray ny sakramenta farany mihitsy aza moa izy tamin’izany fotoana izany. Fa nandritra ny fitsaboana azy anefa dia niseho tamin’ny nofiny i Masindahy Pierre, nikasika ny feriny ary nanasitrana azy. Vao nifoha izy dia nahatsiaro maivamaivana ka nanomboka teo dia nibebaka ary maimay fo hanara-dia an’i Kristy. Mba hialany voly dia nangataka boky izy ka nomena azy ny boky mirakitra ny fiainan’i Jesoa sy ny olomasina. Novakiany araka ny ankapobeny aloha ireo boky ireo avy eo niverenany novakiana indray ary asiany fandalinana. Niady mafy tao anatiny izy. Nanomboka niezaka tamin’ny asa fivalozana, nifoha mandritra ny alina ka mitomany ny fahotany ary indray alina nanolotra ny tenany tamin’i Kristy izy tamin’ny alalan’ny Masina Maria ary nianiana taminy tsy hivadika. Alina hafa tao aorian’izay dia niseho taminy ihany koa i Masina Maria nitrotro an’i Jesoa nohodidinin’ny hazavana.

Nisintaka tany Manrèse ary i Ignace avy eo, dia nitoka-monina tany izy, nifady hanina, nitafy ny akanjo malailay fanaon’ireo mpitoka-monina, ary nandohalika mandritra ny adin’ny fito isan’andro nivavaka. Tsy nikely soroka koa ny demony naka fanahy azy tamin’izany. Nefa nandritra izany fitokana-monina izany no nanoratany ilay fampiasam-panahy, iray amin’ireo boky tena malaza nosoratan’olombelona. Nandalina ny teôlôjia tao Paris izy ary nanao fivahinianana masina tany amin’ny tany masina. Ny taona 1534, niaraka tamin’ireo namany enina tany Montmartre dia tapa-kevitra izy ireo ny hiara-miasa amin’ny papa ka nanorina ny Fikambanan’i Jesoa.

Ny taona 1557 izy no nohamasinina ho pretra tao Venise ary niverina nankany Roma indray avy eo. Araka izany dia izy no nanorina ny Fikambanan’i Jesoa, fa herintaona tao aorian’izay, izy ihany koa no voafidy ho lehiben’izany fikambanana izany. Maro ny asa pastôraly nosahan’izy ireo sy ny fikarohana izay nanan-danja lehibe teo amin’ny Fiangonana katôlika. Nandray anjara be dia be koa izy teo amin’ny fanavaozana ny Fiangonana katôlika tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo. Izy no mpialoha lalana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endriny vaovao. Nodimandry tao Roma tamin’ny taona 1556 i Masindahy Ignace de Loyola ary ny papa Grégoire XV no nanandratra azy ho eo amin’ny laharan’ny olomasina ny taona 1622. Ny teny nanentana azy, ary mbola iainan’ny Fikambanan’i Jesoa manerana izao tontolo izao ny hoe “Ad Majorem Dei Gloriam” na hoe “Ho voninahitr’Andriamanitra lehibe indrindra”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...