06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.

Niara-nipetraka, nanofa trano tamin’ny mpananontena iray nantsoina hoe Giovanelli Serenelli izay nanana zanaka lahy antsoina hoe Alessandro. Vao 10 taona monja i Marietta dia nondaosin’ny fahafatesana noho ny aretina malaria ny rainy. Izy noho izany no nanampy ny reneny nikarakara sy nanabe ireo mpiray tampo taminy. Matotra sy tia vavaka i Marietta, ka nankahasitrahan’ny olona tao an-tanana izany fihetsiny sy fitiavam-bavaka izany, ny mpiray tanana mihitsy no nanolotra ny akanjo nandraisany ny Kômonio voalohany. Ny reniny sy ny anadahiny vao 9 taona monja dia mandeha miasa eny an-tsaha mandritra ny andro nefa dia ambakain’ny olona amin’izany fifanarahana amin’ny asa izany noho izy ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Teo amin’ny faha-12 taonany i Marietta efa nitombo tarehy sy endrika tamin’izay izy no efa nietraketrahan’i Alessandro Serenelli ilay zanak’ilay tompon-tranon’izy ireo, 20 taona io tovolahy io. Tsinjon’i Marietta mantsy ny fihetsiky i Alessandro nanaraka azy ka nataony hatrany izay tsy hifanojoana irery aminy, i Marietta raha teo tsy sahy milaza izany amin’ny reniny. Fa ny hany heriny dia mihery amin’ny alalan’ny vavaka, io no fiantsoany vonjy.

Indray andron’ny 5 jolay 1902 tokony ho tamin’ny telo tolakandro raha handeha hampidi-damba iny Marietta, ny reniny sy ny zandriny nitoto vary tsy dia lavitra ny tanana, dia tonga i Alessandro, nampiditra azy an-keriny tao an-dakozia. Nanohitra izany faniriana lalina ny hemetaveta azy tao amin’ny Alessandro izany i Marietta ka nambarany fa tsy tian’Andriamanitra izao fihetsiny izao ka ho very any amin’ny afobe izy. Tezitra i Alessandro ka nalainy ny vy maranitra mirefy 27 sm ary notrobatrobarany in-efatra ambin’ny folo tamin’izany vy izany ny vatan’ity tovovavy kely tsy manan-tsiny. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana tao Orsenigo de Nettuno i Marietta ary ny ampitson’io izy no nodimandry rehefa nandray farany ny sakramentan’ny Eokaristia. Talohan’izany no nilazany tamin’ny pretra fa noho ny fitiavan’i Jesoa dia mamela ny fahotan’ilay namono azy izy ary mirary ny famindram-pon’Andriamanitra ho azy ihany koa. Ny 6 jolay 1902 izany tamin’ny efatra latsaka fahefany tolakandro no nododimandry i Marie Goretti.

I Alessandro moa dia voaheloka noho izany famonoany olona izany ary nanefa sazy am-ponja nandritra ny 30 taona. Indray alina ny taona 1910 raha mbola tany am-ponja izy dia nanonofy an’i Marietta nanolotra voninkazo lisy ho azy ary nivadika hazavana nanjelatra izany avy eo. Tonga saina i Alessandro noho io nofiny io ka nibebaka. Nahavita ny saziny izy ny taona 1929 ary ny alin’ny Noely 1934 dia nankany amin’i Assunta Goretti, renin’i Marie Goretti izy, tany Corinaldo niangavy ny famelana avy amin’io ramatoa io izy. Nanaiky ramatoa Assunta ary niaraka namonjy ny Sorona Masina izy ireo ka gaga ny iray fiangonana. Tao aorian’izay dia niasa tao amin’ny pretra fikambanan’ny Capucins tao Ascoli Piceno i Alessandro ary tao izy no maty ny 06 mey 1970. Marihana fa ny 27 aprily 1947 ny papa Pie XII no nanandratra an’i Marie Goretti ho olotsambatra ary ny 24 jiona 1950 no nanambarany ampahibemaso fa olomasina sy martirin’ny Fiagonana Katôlika Romanina i Marie Goretti. Samy nanatrika izany fotoan-dehibe izany na ny reniny na ilay namono azy. Ny reliques moa dia mitoetra ao amin’ny sanctuaire Notre-Dame-des-Graces de Nettuno ao atsimon’i Roma. Napetraka anaty sari-vongana ireo tolam-balon’i Marietta ireo. Afa tsy ny tanany avanana izay nomena an-dreniny ho etina any Corinaldo ary arenty ao amin’ny sanctuaire Masimbavy Marie Goretti.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...