15 jona — I Masimbavy Germaine dia nantsoina hoe Germaine Cousin teraka ny 1959 tao Pibrac akaikin’i Toulouse. Zanaka tantsaha izy io, Laurent Cousin sy Marie Laroche no ray aman-dreniny. Taizan’aretina hatry ny fahakeliny i Germaine ary malemy ny tanany havanana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny reniny ka ny renikeliny no nitaiza azy.

Masika be io renikeliny io ary tena nankahala azy mihitsy. Nentiny nandritra ny andro rehetra niainany izany fijaliana izany. Nangataka tamin’ny rainy i Germaine mba hiandry ondry fa any izy no afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny natiora sy mivavaka ary manaja an’i Masina Maria satria tsapany fa vavaka no hany afaka mankahery azy isan’andro. Ary isan’andro izy dia tsy tapaka mamonjy ny Sorona Masina. I Masina Maria no reniny, ny anjely no namany ary ny Eokaristia no fiainany.

Matetika i Germaine no hita mandohalika ao anaty rano mandry, vitany ny miampita rano mankany am-piangonana nefa tsy lena akory ny tongony, ary tsy tapaka mihitsy izy isan’andro mamonjy ny Sorona Masina, manao Kômonio, ary mandritra izany ny tehiny no hatsatony eo amin’ireo andian’ondriny ka tsy misy mihetsika eo ireo na iray aza. Ary tsy misy bibidia sahy mihinana azy ireo akory na dia betsaka aza izany tamin’ny fotoana andro. Hantra olona i Germaine, ka ny mofo kely tokony ho sakafony dia omeny ny mahantra. Fa ny fitiavan’Andriamanitra no hivelomany. Indray andro nohendrikendrehan’ilay renikeliny ho nangalatra mofo izy ka narahan’io izy ary nenjehany na dia efa nosakanan’ny mpiara-monina aza izy tsy hanao an’izany. Rehefa tratrany i Germaine dia nasainy nosokafany ny aron’ny akanjony ka akory ny hagagan’ireo nanatri-maso fa vonin-draozy no hita tao amin’ny ilay noheveran’ilay renikeliny fa mofo. Tora-kovitra ny rain’i Germaine ka nandrara ilay ramatoa tsy hikapoka an’i Germaine intsony sy hamerina azy ao an-trano fa nandà io. Indray andro ny taona 1601 ny alin’ny nahafatesan’i Germaine dia voalaza fa nisy relijiozy roa an’i Pibrac ho any amin’ny tranondr’i Germaine. Dia nahita ankizy vavy roa nanao akanjo fotsy izy ary rehefa niverina izy ireo dia nahita ankizy vavy telo indray ary ny iray teo afovoany dia toa misy satro-boninahitra toa vonin-draozy. I Laurent Cousin rain’i Germaine moa no nahita ny nofo mangatsikany tao amin’ny ilay toerana kely natoriany tamin’izany. Teo amin’ny faha 22 taonany i Germaine no nodimandry, nalevina tao amin’ny fiangonana tao Pibrac.

Ny taona 1664 nanomana fikarakarana fandevenana olona iray ny sacristin dia akory ny hagagany raha nandavaka tao izy nahita an’i Germain mbola nihavaka tamin’ny razana hafa, nalainy io ka napetraka tanaty vata vita amin’ny vy ary napetraka tao amin’ny sakristy. Ny 22 septambra 1661 no tonga tao Pibrac ny Vikera jeneraly tao Toulouse ka zendana raha nahita an’i Germaine mbola tsy miova, raha nojerena ireo nalevina teo akaikiny dia toa efa taolana sy rava nofo avokoa. Nanomboka teo dia nangataka ny hanandratana azy ho olomasina ny 1700 io Vikera jeneraly io. Maro ny fahagagana nasehon’i Germaine ka ny 07 mey 1854 ny papa Pie IX no nanandratra azy ho olotsambatra, ary 1867 no nambara fa olomasina i Germaine. Izy moa no mpiaro ireo olona farofy sy marary, mpiaro an’ireo mpiandry ondry ihany koa izy ka ny hahalalana azy amin’ny sary dia vehivavy mitondra tehina miaraka amin’ny ondry, misokatra ny aron’akanjony ka ahitana fehezam-bonikazo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...