12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.

Tamin’ny taona 1211 dia nandray an’i François d’Assise tao Cortone izy ary nanaitra sy nahasarika azy ny halemem-panahy sy ny fitiavam-bavaka nananan’i François d’Assise. Teo ihany koa no nanapahany hevitra fa hiditra ao amin’ny fikambanana fransiskanina izy, na ilay antsointsika hoe Frère mineur. Dia lasa i Guy nandeha nitoka-monina tany amin’ny lava-bato akaiky ny tanana ary maro ireo tanora no nanatona azy sy nanara-dia azy, dia izay no nanorenana ny ankohona-piainana tao amin’izany toerana izany, ary io no trano fitokana-monina voalohany tao Cortone. Nodimandry ny 1254 i Guy Vignotelli. Tonga dia nambaran’ny olona fa olomasina izy, ary nalevina tao anatin’ny vata toy ireny fomban’ny romanina ireny.

Ny Guy faharoa ho resahantsika dia ilay Guy niaina tamin’ny taonjato fahefatra. Misy ny tahirin-kevitra milaza fa 12 jona no ankalazana azy io. Ity Masindahy Guy ity dia martiry. Voalaza fa zanak’olona mpanan-karena izy io ary mbola mpanompo sampy ny ray aman-dreniny. Ilay mpampianatra azy atao hoe Modeste sy i Crescence mpitaiza azy no nanao batemy an’i Guy na dia tsy neken’ny ray aman-dreniny aza izany. Nikasa ny hampibebaka ny zanaky ny governora Valérien i Guy fa tsy nahomby. Rehefa niaina teny izy telo mianaka dia nisy nitory ka nahiditra am-ponja. Norahonan’i Valérien sy ny rainy i Guy mba handà ny fifavavahana kristianina fa tsy naharesy lahatra azy ireo ka tsy nisy vokany izany. Nogadraina àry izy ireo nefa nisy anjely nanafaka azy ka nitondra azy nankany Lucani, any atsimon’i Italie. Henon’ny amperora Dioclétien ny lazan’i Guy ka nasainy nanasitrana ny zanany izay voan’ireny aretina mifanintotsintona ireny ilay antsointsika hoe androbe. Sitrana ny zanaky ny mpanjaka nefa dia nosamborina ihany i Guy. Nasaina nanao sorona tamin’ny sampy izy fa nandà, hany ka nampijaliana. Navotan’ny anjely indray izy tamin’izany. Nosamborina fanintelony i Guy ka novonoina martiry niaraka tamin’i Modeste sy i Crescance tao Lucani.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...