29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.

Nitsiry tamin'ny fanabeazana nomen'ny ray aman-dreniny azy ny faniriana handalina ny momba an'Andriamanitra, ka mba ahafahany mampitombo ny fahalalana momba izany dia nankany Trèves izy, renivohitr'i Gaule tamin'izany fotoana izany ary fanta-daza tamin'ny sekoly tao aminy. I Masindahy Agris no nitantana azy ara-panahy tany. Hita taratra tamin'izany ny hamafy sy ny halebeazan'ny finoany, hatsaram-panahiny sy ireo toetra tsara nomen'Andriamanitra azy. Nankasitraka izany fanomezan'Andriamanitra tao amin'i Maximin izany i Agris ka nandray azy ho anisan'ireo hiroso ho pretra sy nanome azy ny sakramentan'ny filaharana. Nitombo hatrany ny fahamendrehan'i Maximin, notanterahiny avokoa ny adidy aman'andraikitra nankinina taminy, ary nisy mihitsy aza ireo nilaza fa izy no mendrika handimby an'i Agris, eveka. Nisy lehilahy masina iray nivavaka tao amin'ny fiangonana Saint-Euchère no nahazo baiko avy any an-danitra hilaza taminy fa ny sitrapon'Andriamanitra dia ny iandraiketany ny asa sahanin'io eveka io rehefa tonga ny fotoana hialan'izany eveka izany eto an-tany. I Masindahy Agris rahateo efa nisy anjely nilaza ihany koa mba hanomana an'i Maximin ho amin'izany adidy sy andraikitra izany. Nitady izay fomba handavana izany enta-mavesatra izany i Maximin noho ny fanetren-tenany, fa tsy maintsy nanaiky izy noho ny fanantitranteran'ny lehibeny sy ireo pretra namany ary ny fanirian'ny vahoaka, indrindra indrindra ny sitrapon'Andriamanitra nifidy azy ho eveka, tamin'ny 12 janoary 332.

Araka ny fitantaran'i Masindahy Jérôme dia tena nahomby tokoa i Maximin teo amin'ny asa nosahaniny, satria fotoana tena nampafana ny ady tamin'ny fampianaran-dison'ireo ariens tamin'izany fotoana izany. Nilana herim-po sy finoana mafy ary matotra tsy azo hozongozonina, eo ihany koa ny tsy fifikirana amin'ny zavatry ny tany. Tsy maintsy mivonona ihany koa amin'ny ho atao sesitany sy hovonoina mba hiarovana ny fiombonan'ny Zanakan'Andriamanitra amin'ny Ray satria ny ariens dia nahazo alalana tamin'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany mba hanenjika tsy misy indrafo ny eveka katôlika. Na dia teo aza izany rehetra izany dia nasehon'i Maximin ny maha mpiaro ny marina sy ny maha eveka be herim-po ho an'ny Fiangonana azy. Tamin'ny andron'i Constantin no nanomboka nitolona izy, ary tamin'izany no nadraisany an'i Masindahy Athanase tao aminy raha natao sesitany io. Tsy noriaisiny ho olon-dratsy io rehefa tonga tao aminy fa nataony ho mpitory an'i Jesoa Kristy kosa. Nahatsiaro ho sambatra izy tamin'izany. Izy ihany koa no nampiantrano an'i Paul, eveka tao Constantinople, nohelohin'ny amperora Constance tamin'izany fotoana izany. Tena mpiaro ny finoana i Maximin. Tao Trèves, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Constant, rahalahin'i Constance, dia nanao izay fara heriny izy mba tsy ho latsaka amin'ny fandriky ny fampianaran-diso ny mpanjaka. Niady ho an'ny finoana orthodoxe ihany koa izy tamin'ny Kônsily tao Milan, Sardique ary Cologne. Fa raha nandeha nankany Roma izy dia nohanin'ny ours ilay biby nitondra ny entany ka vitany ny nibaiko io ours io hitondra ny entany nandritra ny diany rehetra. Tsy nijanona ela tao amin'ny Kônsily tao Sardique i Maximin, fa niverina tany Trèves izy mba handamina ny fiainam-piangonana, ary tamin'izany ihany koa no namangiany ny ray aman-dreniny sy ny namany tany Poitou. Tao izy no nodimandry ny taona 349.

Maro ny fahagagana vitan'i Maximin. Ny reliuqes avy nafindra tany Trèves, tao amin'ny fiangonana Masindahy Joany evanjelista. Tonga maro ny olona nanaja azy noho ny fanasitranana azo tamin'ny vavaka nangatahana taminy. Avy io nafindran'i Masindahy Hydulphe tamin'ny fiangonana mpitoka-monina io reliques io tamin'ny taona 667. Nantsoina hoe Masindahy Maximin io fiangonana io ary nijanona tao ny reliques mandram-pahatongan'ny revôlisiôna frantsay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...