25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.

Niditra ho mpitoka-monina bénédictin tao amin'io trano fitokana-monina io ihany koa i Bède. Teo amin'ny faha-19 taonany izy no niroso ho eo amin'ny laharan'ny mpandraharaha masina, ary rehefa feno 30 taona dia nohamasinina ho pretra. Tao aorian'izay dia nanokana fotoana maro handinihana sy handalinana ny Soratra Masina, ny momba ireo Rain'ny Fiangonana ary nanatevina ny fahalalany. Nolanian'i Bède tao amin'ny trano fitokana-monina ny fiainany manontolo satria voalaza fa hatramin'ny fahazazany ka manadram-pahafatiny dia indray mandeha monja izy no nivoaka izany trano fitokana-monina izany. Ny antony nivoahany tamin'izany dia nametraka ny fototry ny sekoly tao York ka isan'ny nianatra tao amin'izany sekoly izany i Alcuin, mpampianatra malaza tao amin'ny lapan'i Charlemagne sy mpanorina ny fampianarana ambony voalohany tao Paris.

Tena nifidy ny fiainana mihiboka tokoa i Bède, satria raha nantsoin'ny papa Grégoire II izy ho any Roma dia niangavy izy mba hanao ny asany mangina ao amin'ny trano fitokana-monina. Nandaniany ny androny ny asa tanana, ny fianarana ary ny fivavahana. Afa-po teo amin'ny fiainany i Bède ary namintinany izany ny hoe : "Mianatra, mampianatra, manoratra".

Miisa 25 ireo boky nosoratan'i Bède ka azo sokajiana ho telo toa izao : 

  • eo ny asa soratra siantifika, izay hamelabelarany ny momba ny fitsipi-panoratana, ny fitenenana, ny zava-boaary, ary eo ihany koa ny hay vanim-potoana ;
  • ny sokajy faharoa dia ireo momba ny Soratra Masina sy ny Rain'ny Fiangonana. Maro ny boky nosoratany momba izany ;
  • ny sokajy fahatelo dia ny boky ara-tantara, ka ny misongadina indrindra amin'izany dia ny tantaran'ny Fiangonan'ny firenena anglisy. Eo ihany koa ireo tantaran'ny olomasina.

Ireo asa sorany rehetra ireo dia nataony amin'ny teny latina avokoa, ka izay ihany koa no nampisy ny fifandraisana akaiky azy tamin'ny Roma, ary nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny tontolo latina tandrefana ireo asa soratr'i Bède ireo. Maro ny anarana niantsoana an'i Bède. Ohatra tao amin'ny sinaody Aix-la-Chapelle 836 dia nantsoina hoe "Mpampianatra manam-pahaizana amam-pahalalana lalina indrindra sy mendrika haja" izy. Nisy fotoana koa izy nantsoina hoe "Rain'ny tantara anglisy" ary ny papa Léon XIII no nametraka azy sy niantso azy ho eo amin'ny laharan'ny "Mpampianatry ny Fiangonana".

Ny 26 mey 735, teo amin'ny faha-63 taonany no nodimandry i Bède. Maro ny fahagagana nasehony tamin'ny fangataham-bavaka taminy, ka toa nanamafy ilay fiantsoana azy, fanampin'anarany hoe "mendrika haja" izany. Niparitaka ny fanajana azy, ary mbola tsy lefy laza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...