19 mey — I Raphaël-Louis Rafiringa dia mbola olontsambatra amin'izao fotoana izao. Teraka tao Antananarivo ny taona 1856 i Rafiringa. Ny taona 1866 izy no nihaona tamin'ireo Frères des Ecoles Chrétiennes telo mirahalahy, tonga teto Antananarivo ka niditra nianatra tao amin'ny sekolin'izy ireo.

Teo amin'ny faha-13 taonany i Rafiringa no nandray ny sakramentan'ny Batemy tao amin'ny fiangonana Mahamasina ny 24 ôktôbra 1869 ary tamin'izay no nandraisany ny anarana hoe Raphaël. Ny 1873 dia nanaiky ho mpampianatra mpisolo toerana tao amin'ny sekolin-dry Frères izy ary telo tao tao aorian'izay, izany hoe ny taona 1876, dia nangataka hiditra tao amin'ny fikambanan-dry Frères izy ary nanomboka niofana. Ny 01 marsa 1878 izy no nandray ny akanjo maha relijiozy azy ka nitondra ny anarana hoe Cher Frère Raphaël-Louis. Ny 21 nôvambra 1879, nanonona ny voady voalohany maha relijiozy azy i Frère Raphaël-Louis.

Nandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara ny taona 1883, voaroaka daholo ireo misiônera vahiny, ka izy no voafidy hitantana ireo mpino katôlika teto Madagasikara. Ny 14 nôvambra 1889 izy no nanonona ny voady mandrakizay. Mpampianatra sy mpandalina ny teny malagasy izy ka voatendry ho mpikambana tao amin'ny Akademia Malagasy ny taona 1902, ary herintaona tao aorian'io, izany hoe ny 02 mey 1903 dia nahazo ny mari-boninahitra "Médaille de Mérite Civil" avy amin'ny Jeneraly Joseph Simon Galiéni, governora frantsay, noho ny fahombiazan'ny asany teo amin'ny fampanjariana ny fandriampahalemana tamin'ny fifandraisan'i France sy i Madagasikara. Tao Fianarantsoa izy no nodimandry ny 19 mey 1919, ary nafindra ao Soavimbahoaka, Antananarivo ny taolam-balony ny taona 1933. Ny papa Benoît XVI no nanandratra azy ho olontsambatra ny taona 2009.

38 taona no niainan'i Frère Raphaël-Louis ny maha relijiozy azy. 38 taona niasana mafy naharitra tamin'ny fanokanan-tena sy ny fanamasinan-tena tamin'ny alalan'ny fanajana ny fitsipi-piainan'ny fikambanana sy ny fanatanterahana ny asa nampiandraiketina azy. Rehefa mivavaka, mitsaoka ny Sakramenta Masina izy, dia mipololotra avy ao am-pony ny vavaka hoe : " Tompo ô ! Mihanta aminao mafy aho, omeo fitsapana aho mba handraisako anjara amin'ny fanamasinana ny tenako", ary niseho izany tamin'ny fiainany.

Ny 14 desambra 1915 dia nosamborina i Frère Raphaël-Louis Rafiringa fa voalaza ho isan'ireo Malagasy mikononkonina handrava ny fanjakana frantsay. Nosamborina izy, ary nosavaina avokoa ny efitranony, dia nalaina tao ny taratasy maro nosoratany. Naiditra am-ponja izy, ary raha nisy mpiambina nanatitra sakafo ho azy  ny alin'io dia hoy izy : "Misaotra anao aho, ry sakaiza, mankasitraka ny fihetsikao, fa ho anay katôlika ny sasakalin'ny Noely dia fifadian-kanina". Gaga ilay mpiambina ary nanontany teno hoe : "Amin'ny fomba ahoana ny olona manam-pinoana sy hatsaram-panahy toa izao no hidiana toy ny mpangalatra ?". Rehefa nohadiadiana i Rafiringa teo amin'ny fitsarana azy, dia tsy nisy fantany ireo antony niampangana azy. Rehefa resy lahatra izy ireo fa tsy nahavita ny heloka izay niampangana azy i Rafiringa dia navoaka ny fonja izy ary vahoaka marobe no nitsena azy, nanatitra azy tany amin'ny fikambanana. Nitohy ny hafaliana, ka ny ampitson'io dia maro ireo tonga niarahaba azy.

Teo amin'ny faha-63 taonany i Rafiringa no maty, ary tamin'ny fotoana nitondrana ny taolam-balony hiakatra ho any Antananarivo ny taona 1933 dia akory ny hagagana fa mbola tsy rava ny nofony, toy ny olona vao avy nalevina. Olona marobe no nitsena azy teny an-dalana, ary nisy aza ireo nahazo fahasoavana manokana, ka ny fanasitranana tamin'izany no nankatoavin'ny mpikambana tao amin'ny Congrégation pour la cause des saints ka nahatonga azy nasandratra ho olontsambatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...