07 aprily — I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle dia pretra frantsay, nitondra fanavaozana teo amin'ny fomba fampianarana. Nanokana ny fiainany amin'ny fanabeazana ny zaza mahantra izy ary mpanorina ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes.

Teraka ny 30 aprily 1651 tao Reims i Jean-Baptiste de La Salle, lahimatoa amin'ny zaza 11 mianadahy izy : telo ny anabaviny ary fito ny rahalahiny. Louis de La Salle no rainy, mpanolo-tsaina ambony tao amin'ny tananan'i Reims, ny reniny kosa dia Ramatoa Nicole de Moët de Brouillet, nonina tao amin'ny Hôtel de La Salle, izay mbola hita ao hatramin'izao ao amin'ny 6 rue du Dr Jacquin, izy ireo. Naniry azy ho ao amin'ny tontolon'ny lalàna ny rain'i Jean-Baptiste de La Salle nefa tsapan'i Jean-Baptiste fa ho relijiozy no iantsoana azy. Vao 11 taona monja izy dia nosolaina ny tampon-dohany, ilay marika antsoina amin'ny teny frantsay hoe tonsure, mba hiomanany amin'izany fiainana maha pretra izany. Niofana tao Sorbone, ary tao amin'ny seminera Saint-Sulpice tao Paris izy. Tonga chanoine tao Reims izy ny 07 janoary 1667. Avy eo izy nandalina ny teôlôjia tao Paris nanomboka ny taona 1670, ary nohamasinina ho pretra ny 09 aprily 1678. Ny taona 1680 izy no nahavita ny fianarana teôlôjia ka nahazoany ny mari-pahaizana doctorat.

Nanankinan'ny paroasy niaviany fanorenana sekoly ho an'ny zaza mahantra àry, i Jean-Baptiste de La Salle, ka ny taona 1679, nihaona tamin'ny olona iray antsoina hoe Adrien Nyel izy, ary nanorina sekoly maimaim-poana ho an'ireo mahantra izy ireo. Ny taona 1681, maro ireo mpampianatra sahirana ka nampiantranoiny tao aminy. Ny 25 mey 1684 dia nanorina ny fikambanana Frères de Écoles Chrétiennes izy, nanokatra sekoly fianarana asa, sekoly alahady ary fanabeazana ireo ankizy tsy misy mpiahy teny an-dalambe.

Tany am-piandohana dia tsy nankasitraka loatra ny fananorenana ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes ny tompon'andraikitra teo amin'ny Fiangonana, fa nikiry ihany i Jean-Baptiste de La Salle,  mandram-pahatanteraka io tanjona io. Rehefa tsapany fa tsy ampy mpanabe ireo ankizy, dia naka tanora izy hampianatra, ary notolorany endri-piainana manokan-tena ho an'Andriamanitra izy ireo nefa mijanona ho lahika ihany. Nosoratany ny fitsipi-piainana, izay miaina amin'ny aim-panahy mifototra amin'ny fampianarana sy ny fanabeazana ny ankizy eny amin'ny toerana be olona. Mba ahafahana mampiofana ara-panahy sy arak'asa dia natsangany ihany koa ny trano fanofanana nôvisy voalohany tao Vaugirard ny taona 1692 ary ny taona 1698 no vita tsara ny fitsipika mifehy ity fikambanana ity. Ny taona 1685 àry, dia nanorina seminera tao Reims i Jean-Baptiste de La Salle, toerana fanofanana ireo mpampianatra izy io. Ny taona 1688, izay hoe telo tao tao aorian'io, dia nanokatra ireo sekoly voalohany tao Paris izy ka ny iray, tao amin'ny 12 rue Princesse, ary tao izy no nitoetra.

Ny taona 1694 dia voafidy ho lehiben'ny fikambanana i Jean-Baptiste de La Salle, notohiziny ny asa fampianarana sy ny fitaizam-panahy ary nanoratra boky hanampiana ireo mpampiantra izy. Nantsoin'ny arseveka tao Rouen izy, Mgr Colbert, ny taona 1705 ary nanokatra trano fandraisana tao Saint-Yon, izay namindrana ny novisia avy any Paris ny taona 1714. Dimy taona tao aorian'io, ny 07 aprily izy no nodimandry tao amin'ny trano foiben'ny fikambanana tao Rouen. Tao aorian'ny nahafatesany dia niroborobo nanerana an'i France sy izao tontolo izao ny asany sy ny fikambanana ary lasa modely ho an'ireo fikambanana mifototra amin'ny fampianarana.

Marihana fa nalevina tao amin'ny chapelle tao Saint-Sever izy, fa nafindra tany Saint-Yon kosa ny taona 1734, avy eo nentina tany amin'ny École Normale tao Rouen indray ny taona 1835. Tamin'ny fotoana nanaovana ny fanadiadiana hanandratana azy ho olontsambatra dia nentina tany amin'ny Pensionnat Jean-Baptiste de La Salle tany Rouen indray ny reliques. Rehefa nisy ny savorovoro nanenjehana ny pretra tamin'ny taonjato faha-20 dia nafindra tany Belgique io reliques io. Araka ny efa nambara teo hoe ny taona 1835 ny fanadiadiana ho fanandratana azy ho olontsambatra, fa ny 08 mey 1840 kosa izy no nambara fa mendrika ho hajaina ary nasandratra ho olontsambatra ny 19 febroary 1888. Ny 24 mey 1900 ny papa Léon XIII no nanambara amapahibemaso fa olomasina i Jean-Baptiste de La Salle. Ny taona 1937 dia nafindra tany Roma ny reliques, ary ny 15 mey 1950 no nambaran'ny papa Pie XII fa mpiaro ny mpanabe rehetra i Masindahy Jean-Baptiste de La Salle.

Nanorina École Normale nantsoina hoe seminera ho an'ireo mpampianatra any ambanivohitra izy mba hijery akaiky ny fototry ny sekoly : dia ny fanomanana ara-môraly, ny ara-kolontsaina, ny fahalalana ankapoben'ireo mpampianatra ireo. Izy ihany koa no nanangana ny fikambanan-drelijiozy voalohany ho an'ny lehilahy, Frères de Écoles Chrétiennes, ary mijanona ho lahika sy natao hifototra amin'ny sekoly kristianina. I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle no vy nahitana ny fomba fampianarana iarahan'ny ankizy mitovy fahaizana ao an-dakilasy, izay marihana fa ny mpampianatra taloha dia tsirairay no ampianarana ny ankizy. Izy ihany koa no nampahazo vahana ny fianarana mamaky teny amin'ny fitenim-pirenen'ny mpianatra fa tsy amin'ny teny latinina, satria tamin'izany fotoana izany dia ny teny latinina no ianarana mamaky teny sy manoratra. I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle ihany koa no nandrindra ny sekoly amin'ny alina sy ny alahady ho an'ireo tanora mpiasa tsy mba afaka mianatra ny andavanandro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...