06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.

Araka ny fitantaran'i Masindahy Augustin àry, dia nisy fiantsoana fivoriana ny taona 410 mba hahalalana ny hoe eveka katôlika sa eveka donatiste no arahana ao an-tanana, satria samy nanana ny evekany ireo olona ireo. I Marcellin no notendren'ny amperora hitarika io fihaonana io sy hampihatra ny fanapahan-kevitra iraisana tapaka tamin'izany. Ireo eveka katolika dia nanaiky ny hifampizara amin'ireo donatistes ny fitantanana, ary raha ilaina aza dia homena azy ireo mihitsy izany fitantanana izany. Noho ny herin'ny ratsy nanjaka tamin'ireo donatistes anefa, dia tsy nanaiky izany fifampiraharahana izany mihitsy izy ireo, na inona na inona nambara tao amin'ity fihaonana ity.

Tezitra noho ny fihetsik'ireto donatistes àry i Marcellin, ka nampihatra ny lalana entitra hanenjehana azy ireo, izay mpanakorontana sy tsy manaja olona ary mpandroba ihany koa ny fananan'olona. Raha noheverin'izy ireo fa momba ny katolika i Marcellin, dia ny comte Marin no niaraka tamin'izy ireo, ity comte ity dia nitari-tafika tany Afrika tamin'ny ady nanoherana an'i Héraclien. Nambaran'i Marin àry fa anisan'ireo niray tsikombakomba tamin'i Héraclien i Marcellin ka nampidirina am-ponja. Tranomaizina izy tsy nisy na hazavana kely akory aza, ary niaraka nosamborina taminy tamin'izany ny rahalahiny. Nanatona an'i Marin tany Carthage i Augustin, izay nahalala tsara ny toetra sy ny hatsaram-panahin'i Marcellin ka nanambara fa tsy tompon'antoka tamin'ny asa ratsin'i Héraclien velively i Marcellin. Nampanantena i Marin fa hamela an'i Marcellin hiaina malalaka, nefa ny nifanohitra tamin'izany no nataony.

Nandeha namangy an'i Marcellin tany am-ponja mantsy ity evekan'i Hippone ary nitatitra taminy ny resaka nifanaovana. Tamin'izany ihany no nanantitranterany sy nanadikadinany ilay voafonja raha tena tsy nahavita heloka tokoa izy, ka hoy ny navaliny, sady nanangana ny tanany havanana izy hoe : "Mihinina amin'izao fananganako ny tanako vao avy nandraisako ny sakramenta izao aho, fa tsy nandray anjara tamin'io heloka io". Resy lahatra ny fitsarana fa tsy meloka i Marcellin sy ny rahalahiny, ary naniraka olona tany amin'ny comte Marin mba hanafaka azy ireo. Mba hahatanteraka ny valifatin'i Marin anefa, dia nataony haingana ny famonoana an'i Marcellin sy ny rahalahiny. Tezitra noho izany toetra ratsin'i Marin izany ny amperora Honorius ka nanala taminy ny fahefany fa nanome kosa ny haja amam-boninahitra mendrika an'i Marcellin.

Araka ny namabran'i Masindahy Augustin ao amin'ilay taratasy fankasitrahana sy fiderana an'i Marcellin dia hoy izy : "Niaina ny fitiavam-bavaka lehibe i Marcellin, fitondran-tena masina ary toe-po tena kristianina no nananany. Tsy hay lazaina ny fahamarinany sy ny fahitsiany teo amin'ny fitsipi-piainana. Mahatoky izy tamin'ny fahadiovana teo amin'ny fanambadiana. Marina teo amin'ny fitantanana ny rariny. Nanam-paharetana tamin'ireo namana. Tia ny olona rehetra izy, ary vonona hatrany hanome hafaliana izay rehetra manodidina azy. Ny manao asa soa no mahafaly azy, ary amin'ny fotoana mampalahelo sy mangirifiry dia hain'ny fony ny mamela heloka ny fahavalony, ary vitany hatramin'ny mitia azy ireny aza. Matoky tanteraka an'Andriamanitra i Marcellin ary tia vavaka. Rehefa miresaka ny fahamarinan'ny fanavotana izy, dia amim-panajana feno sy amim-panetren-tena. Na dia teo aza ny harem-be nanodidina azy, dia nifikitra tanteraka tamin'i Jesoa Kristy izy". Rariny, hoy i Masindahy Augustin, raha manana ny toerana mendrika, sahaza azy any an-danitra ity martiry ity.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...