03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.

Niezaka mafy i Richard mba hanavotana io rahalahiny io. Tao aoriana kely dia afaka nanohy fianarana tany Paris ihany izy, nifankahalala tamin'ny olona roa mahantra toa azy ihany koa i Richard ary lasa mpinamana izy ireo. Tsy mba nanana akanjo mafana afa-tsy iray monja izy telo lahy ireo ka voatery mifandimby rehefa mandeha mianatra. Tsotra dia tsotra ny sakafon'izy ireo : mofo kely sy divay kely isan'andro ary ny alahady ihany vao mba mihinana hena na trondro. Na dia izany aza ny fiainany dia nahomby tamin'ny fianarany i Richard ary tena niavaka mihitsy. Rehefa vita ny fianarany dia niverina tany Angleterre izy, ary nampianatra tao amin'ny Université tao Oxford. Nanaitra ny maro ny fanetren-tenan'i Richard, ny fahadiovam-pony, ny halemem-panahiny. Teo ihany koa ny fanajany sy ny fitiavany ny olon-drehetra hany ka voafidy ho Chancellier tao amin'ny Université izy.

Voatendry ho eveka ihany koa izy, nefa nosembantsembanin'ny mpanjaka Henri III. Tamin'io moa no nisian'ny ady manohitr an'i Roma. Vitan'i Richard anefa ny niaro ny Fiangonana sy namerina tamin'ny laoniny ny filaminana sy ny fandriam-phalemana tamin'ny alalan'ny vavaka sy ny fampihavanana. Rehefa afa nanohy an-kalalahana ny asa maha eveka azy izy dia nisongadina indrindra tamin'izany ny fitsinjovana ireo madinika sy ny fanampiana ireo mahantra, ary matetika ary mihoatra noho ny eo an-tanany ny laniny ka nahatonga azy niteny hoe : "mety kokoa raha amidy ny soavaly sy ny lovia volafotsy mba tsy hamela ireo mahantra, rantsam-batan'i Kristy, hijaly". Indray andro, raha nizara mofo izy, dia ampy ho an'ny olona telo arivo, ary mbola nisy ambiny aza ho an'ny olona zato. Imbetsaka izy no nanao fahagagana toa izany. Anisan'ny tena nanamarika ny asa pastôraly nataon'i Masindahy Richard ny fanavaozana ny fiainan'ny pretra, ary ny fandaniany ny fiainany tamin'ny fitiavam-bavaka.

Tratran'ny tazo mahery izy tao Douvres, raha izy handeha hitory ny Vaovao Mahafaly tany amin'ny ady fahafito ho an'ny Tany masina, ary nodimandry ny 03 avrily 1253.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...