30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.

Ny taona 1452 no natao ny mariazin'izy ireo ka sambatra tokoa izy mivady ireo satria natambatry ny finoana matotra sy ny hatsaram-panahy. Malala-tanana izy ireo ary nanan-janaka fito. Ny taona 1464, no nadimby ny rainy, lasa taizan'aretina izy tamin'izany, voan'itony aretina mifanintotsintona itony. Nandala ny fandriam-pahalemana izy ka nandà ny ady nanoherana an'i Charles le Téméraire. Niombo ny aretiny, ny zanany anefa mbola kely ka ny vadiny no nasainy nitantana ny fanjakana ny taona 1469. Tsy faly noho izany ireo rahalahiny ary nikomy ka tsy maintsy nanelanelana ny mpanjaka tao France. Lasa nandeha nisintaka tany amin'ny Saint-Eusèbe de Vercili i Amédée ary tany izy no nodimandry ny 30 marsa 1472. Vetivety taorian'izay dia nangataka ny hanandratana azy ho olomasina ny vahoaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...