16 marsa — I Masimbavy Bénédicte dia mpitoka-monina tao amin'ny fikambanana Clarisses, izany hoe mpanara-dia an'i Masimbavy Claire avy any Assise. Nanomboka ny taona 1214 izy no niditra tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Damien ao Assise.

Tao aoriana kely dia nandimby an'i Masimvay Claire tamin'ny fitantanana ny fikambanana izy tamin'ny taona 1253. Nitantana am-pahamendrehana ireo rahavaviny tao amin'ny fikambanana izy ary najainy fatratra ireo lova napetrak'i Masindahy François sy i Masimbavy Claire, dia ny fiainam-panahy sy ny asa fiantrana. Nodimandry ny 16 marsa 1260 tao Saint-Damien ihany i Bénédicte.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...