22 febroary — Raha ny tetiandron'ny Fiangonana Katôlika Romana no jerentsika dia intelo ny Fiangonana no manoka andro hatsiarovana an'i Masindahy Pierre ao anatin'ny taona. Ao ny 29 jona hankalazana ny fetin'i Masindahy Pierre sy Paul miaraka. Eo ihany koa ny 18 novambra fankalazana ny fitokanana ny Bazilikan'i Masindahy Pierre. Ary ity ankalazaina androany ity dia ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre.

I Pierre no voalohany amin'ireo roa ambin'ny folo lahy na dia tsy izy aza no voaantso voalohany araka ny voalaza ao amin'ny Evanjely voalohany sy izay voalaza ao amin'ny Asan'ny Apôstôly. Amin'ny faha-29 jona isika dia mbola afaka miresaka tsara ny antsipirian'ny fiainan'i Masindahy Pierre fa ny asongadina amin'ity faha-22 febroary ity dia ilay andraikitra nomen'i Jesoa azy sy ny anjara toerany ao amin'ny Fiangonana.

Taorian'ny fiekem-pinoan'i Pierre tao Césarée, izay azo heverina fa fiekem-pinoan'ny Fiangonana voalohany, no nanomezan'i Jesoa andraikitra an'i Pierre araka ny voalaza ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Matio 16, 18. 19. Toy izao no voalaza ao amin'ity andalan-tSoratra Masina ity: "Ianao no Pierre, vato, ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako. Ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. Omeko anao ny fanalahidin'ny Fanjakan'ny Lanitra, izay hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy any an-danitra ary izay hovahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra". Eto dia nambaran'i Jesoa tsara ny fanirahana an'i Masindahy Pierre ho filohan'ny Fiangonana ary ny fanolorana ny fanalahidy dia azo heverina fa famindram-pahefana ihany koa.

Ny fetin'ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre dia azo heverina ho fety tranainy. Tany Antioche no nankalazana azy efa tany amin'ny taonjato fahefatra tany. I Antioche moa no tanana lehibe fahatelo taorian'i Rome sy Alexandrie raha miresaka ny fanjakan'ny "empire" romana. Tany no toerana nanombohan'i Pierre ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin'ireo Jentily. Ho an'ny tany Rome dia ny 18 janoary no nankalazana azy ka ny papa Paul IV no nametra io daty io tamin'ny taona 1557. Izany hoe ny taty amin'ny Fiangonana Tandrefana dia ny 18 janoary no nankalazana azy fa ny tany amin'ny Fiangonana Tatsinanana dia ny 22 febroary. Fa tamin'ny fanavaozana taorian'ny Konsily Faharoan'i Vatikana dia nafindra ho ny 22 febroary ny fankalazana taty amin'ny Fiangonana Tandrefana ka lasa andro izany ny fankalazana ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre na ho an'ny Elgizy Tatsinanana na ho an'ny Eglizy Tandrefana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...