Fianakaviana tena sahirana no nisy an'i Olivier sy ny reniny. Nanao ezaka maro ary nanana fikirizana io fianakaviana io ary tafita tamin'ny fianarana nataony ihany i Olivier, zanak'i Ramatoa ... Nahazo asa sy andraikitra tamin'ny orinasa lehibe iray i Olivier, ary tafasara-toeram-ponenana tamin'ny reniny. Ramatoakely Voahirana no sekreteran'i Olivier izay talen'ny orinasa, samy nanana faniriana sy samy tia izy roa anefa tsy mbola sahy nifamboraka fitia. 

Mpìrahalahy samy mìaramila mpanao "vy very ny ainy" i Maharo sy i Harivelo. Nisy ady an-trano tany Mali, ka nalefa hanatevina ny miaramila misatro-mangan'ny Firenena Mikambana tany any izy roalahy. Nisy nanafika anefa ny toby nambenan-dry zareo ka maty voatifitra i Maharo. Nalahelo sy very hevitra i Harivelo sady tsy foiny ny zandriny, hany ka niantso ny fanahin'i Asmodée (demony) izy mba hiditra ao amin'i Maharo ka hamelona azy indray. 

Nampitsambadika ambony ambany ny tantara teo amin'ny tokantrano roa samy hafa : sahirana sy nanana ny ampy ny fisafotofoton'ny rivo-piainana. Antony nampiezaka mafy an-dRakoto sy Rasoa hampianatra ny zanany lahitokana ny fahantrana nianjady tamin'izy ireo. Nampivoatra ny fiainan'izy telo mianaka ny fahatratraran'io menaky ny ainy io ny tanjona... 

Mpisakaiza fony fahazaza i Samy sy i Faneva ary i Mlle Fanilo. Tsy mitovy fari-piainana anefa izy teo ireo fa i Samy zanak'olona antonontonony, i Faneva sy i Fanilo kosa dia isan'ireo zanaky ny mpanan-karena eo amin'ny tanàna misy azy ireo. Taty aoriana dia nifankatia i Samy sy i Fanilo ; nisedra olana izy roa satria velom-pialonana i Faneva ka nitady ny fomba rehetra anapahana ny fifankatiavan'izy ireo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...