Niditra hopitaly ny rain'i Vola. Voan'ny aretina "mivonto antsavy". I Dera no nanolo-tena hiandry azy iny andro voalohany nidirany hopitaly iny. Tsy natory nandritra ny alina, noho ny fandinihany manokana ny zava-mitranga eny anivon'ny hopitaly sy ny tontolony.

Na dia nampiahiahy an'i Dera hiteraka fahasahiranana ao an-tokantranony aza ny namangian'ireo ray aman-dreniny azy ireo noho ny nahazoana faramandimby, dia ny mifanohitra amin'izany kosa no nitranga : noho i Vola.

Nataon'i Bary toera-pialana voly ny tokantranon'i Dera sy Vola, ka nentiny avy hatrany tsy nierany tamin'izy ireo ny namany roa lahy, miaraka amin'ny karatra filalaovana sy ny tavoahangin-toaka. Nilaozan'i Vola hamangy ireo ray aman-dreniny ireto vahiny hafahafa, izay tsy nankasitrahany mihitsy. Ny rainy rahateo, tao anatin'ny tsy fahasalamana.

Nosokirin'i zaobavin'i Vola ny resaka kabary hoataon'i Dera nifanaovan'izy ireo tany Ambatomainty, raha nifanena teny an-dàlana izy ireo. Tapaka teo ny hevitra fa hiara-hisakafo any amin-dry Dera sy Vola izy ireo, ary amin'izay no hifanazavazavana sy hifampidinidinihana momba izany.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...