Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

Efa fomban’ny Jody hatramin’izay ny manao fanoharana ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fampakaram-bady ka nampiasain’i Kristy izany tamin’ity fampianarana ity.

Ny tiany ambara mantsy dia Andriamanitra Ray no mpanasa ary ireo vahoaka Jody izay tsy niraharaha ny irak’Andriamanitra Ray kosa, dia ireo nandà ny fanasana nomena azy ireo. Eto dia mampiseho fitiavana ny mpanasa raha toa ka avonavona kosa no setrin’izany ho an’ireo nasaina : natakalon’izy ireo zavatra hafa tokoa mantsy ny fanasan’Andriamanitra azy ireo. Matetika tokoa anie dia atakalontsika ny asa sy ny tombontsoa manohana, ilay Andriamanitra nahary antsika. Tsy kivy anefa Andriamanitra nanoloana an’izany, fa nitohy hatrany ny fampisehoany ny fitiavany ary nasehony fa tsy mba nanavakavaka Izy. Asehon’i Kristy Zanany izany tamin’ny alalan’ny fanirahana izay nataony tamin’ireo mpianany. Iraka izay tsy mikombona intsony ho an’ireo Jody fa hatrany am-paranvazan-tany mihitsy, ary tsy adino amin’izany ny mahantra sy ny madinika.

Tsy misy fetrany tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona, ary ny fanasana izay ataony dia mahakasika ny olon-drehetra mihitsy. Kanefa dia nametraka fepetra Izy aloha amin’izany : dia ny mitondra ny akanjo amin’ny fampakaram-bady.

Araka ny voalazan’i Masindahy Grégoire Lehibe mantsy dia hoe : ireo olona nanana ny finoana an’Andriamanitra no afaka miditra ao amin’ity fanasan’ny fampakaram-bady ity. Nefa tsy ampy izay, fa mila mitondra ilay akanjo amin’ny fampakaram-bady dia tsy inona fa ny fitiavana : ny voalohany dia ny fitiavana an’Andriamanitra, ary ny manaraka izay dia ny fitiavana ny namana. Noho izany, tsy afa-misaraka mihitsy ny finoana sy ny fitiavana raha te hiditra any amin’ny fanjakan’Andrimanitra isika.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...