Zoma 13 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12

Mifototra amin'ny fanambadiana ny fampianaran'i Kristy eto. Fanambadiana, izay tsy antsika olombelona, fa avy amin'Andriamanitra, ka tsy miankina velively amin'ny fiheverana, na ny fahazoana, na ny fombantsika olombelona. Izay nahary ny olona no nanao ny fanambadiana. Tenin'i Kristy tamin'ilay Farisianina naka fanahy azy io, ary izay nakamban'Andriamanitra tsy azo na iza na iza sarahina. Noho izy tsy avy amin'ny olombelona dia tsy mijanona ho an'ny mpivady fotsiny ny kendren'ny fanambadiana, fa miampita sy maneho ny zava-miafina ambarany : dia ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra tamintsika olombelona, itarafana ny maha fitiavana azy sy ny fomba nentin'i Kristy nitia sy namonjy antsika, tamin'ny fanoloran-tena nataony. Io ambarany io no toe-piainana mila iainan'ny mpivady isan'andro ; tsy hivadika amin'ny fanekena nataony, tsy hizarazara ny fony hitia olon-kafa fa ho tokam-po, hitia toy ny itiavan'Andriamanitra antsika.

Sakramenta izaran'Andriamanitra ny fahasoavany mahamasina ny mpivady ny fanambadiana, ka mitaky toe-piainana mihavao hatrany. Koa enga anie mba tsy ho zavatra mahaliana ka hijanona ho fomba fanao fotsiny fa mba ho vy miaina hanentana sy hampijoro ny tokantrano tsirairay avy, ary hampandroso fahamasinana ny mpianakavy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...