Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27

Tsy vitsy amintsika no nozohim-pahoriana tahaka an’i Marta sy i Maria avy any Betania, tamin’ny fahalasan’ireo olon-tiana, sakaiza sy havana vokatr’ity valan’aretina Coronavirus ity. Angamba nanandratra ny fitarainantsika amin’Andriamanitra isika tsindraindray tahaka ny nataon’izy mirahavavy avy tany Betania nanao hoe : "Raha taty ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko". Azo heverina fa nahatsapa ho nilaozan’Andriamanitra i Marta eto arak’io fitarainany io, toy ny te-hilaza hoe : "Fa nahoana tokoa moa no tsy nihetsika Andriamanitra nanoloana ny fahoriantsika amin’izao fotoana izao, Izy izay inoantsika marina tokoa fa mahefa ny zava-drehetra ?"

Te-hitarika an’i Marta handalina ny katesizy mahakasika ny misterin’ny fiainana sy ny fitsangan-ko velona anefa i Jesoa eto, ka izany no nilazany hoe : "Hitsangana ny anadahinao". Mbola ilay finoana nolovana tamin’ny finoan-drazana anefa ny finoan’i Marta mahakasika ny fitsangan-ko velona : "Fantatro fa hitsangana ho velona izy amin’ny andron’ny fitsanganan’ny maty". Fa i Jesoa kosa, manasa azy handalina bebe kokoa ny finoany mahakasika ny fitsangan-ko velona eto, ary amin’izao fotoana izao rehefa mino an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra isika (raha tsikaritrareo fa miteny ny fitsangan-ko velona ho avy i Marta fa i Jesoa kosa ny anio sy ny ankehitriny no tiany horesahana).

Katesizy lalina tokoa no ambaran’i Jesoa antsika anio : voalohany tsarovy manomboka izao fa ao amin’i Jesoa Kristy no hananganana antsika ho velona ary faharoan’izany afaka mitsanganan-ko velona isika amin’izao fotoana izao fa tsy miandry amin’ny ho avy rehefa mino an’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra velona.

Afaka hitsangan-kovelona isika raha toa ka mino fa tonga hitondra ny fiainan’Andriamanitra velona eto amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy, fa izany rahateo moa no nolazainy : "Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty na oviana na oviana." Io finoana io no nangatahan’i Jesoa tamin’i Marta, ka nahatonga an’i Marta ho tafatsangan-ko velona talohan’ny nananganan’i Jesoa ny anadahiny rehefa vita ny resak’izy mianaka (Jo 11, 41-44) : "Mino izany ve ianao ?"

Tsy ho faty mandrakizay isika rehefa mino an’i Kristy, satria tonga teto an-tany Izy hampita amintsika ny ain’Andriamanitra tsy mety ritra. Noho izany, asain’i Jesoa Kristy isika anio, mba tsy hitanondrika hatrany noho ny fahoriana vokatry ny fandaozan’ireo olona nanamarika ny fiainantsika, fa tokony hanamafy bebe kokoa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izay afaka hanome ny fiainana tsy resin’ny fahafatesana ara-batana velively. Izany anefa tsy manakana antsika tsy hivavaka ho fialan-tsasatry ny fanahin’ireo havantsika izay nialoha làlana antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...