Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

Fanoharana mahakasika ny fanjakan’ny lanitra no antitraterin’ny Vaovao Mahafaly androany. Matio no manoratra ka fanjakan’ny lanitra no nanambarany azy fa ho an’i Masindahy Marka kosa, dia fanjakan’Andriamanitra no voambolana fampiasany. Mitovy ihany anefa ny dikan’zany. I Masindahy Cyprien aza, dia efa niteny mihitsy fa ny fanjakan’ny lanitra dia tsy iza fa i Jesoa sy fitiavany ihany.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany izay, fa mba mampanontany tena tokoa eo amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ho an’ny tantsaha mpamboly, fa maninona tokoa àry, no toa voa tsara sy voafantina no afafy amin’ny tany nefa rehefa maniry sy mitombo dia misy ahi-dratsy eny anelanelany eny ?

Ny Vaovao Mahafaly androany no manampy antsika hahazo an’izany, fa izao tontolo izao no tany noharian’Andriamanitra ho tsara hatrany am-piandohana. Na izany aza dia misy mandrakariva ireo fahavalon’Andriamanitra izay miezaka mamafy ratsy ka tsy manao afa-tsy ny mikendry izay hamotika ny tsara. Izay ilay hoe ny ratsy tsy tery lalana, ary ny ratsy tsy mba misy tandrony. Mazàna moramora kokoa ny mirona mankany amin’ny ratsy noho ny manaraka ny tsara. Betsaka tsy tambo isaina ankehitriny ireo ahi-dratsy mifaninana haniry hiaraka amin’ny tena vary. Sarotra tokoa ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary satria takonan’ny fihatsaram-belatsihy ny fiainana.

Ry havana, samy ho tsarain’ny tantarany avy isika, hoy ny fomba fitenin’ny sasany izay, izany hoe samy tsy maintsy ho tsaraina daholo ny olombelona amin’ny andro farany. Tsy isika intsony no tompon’ny teny farany amin’izay fotoana izay fa Andriamanitra. Tadidio anefa fa ny ho amin’ny tsara no iantsoana antsika, koa manàna faharetana ary araraoty hifanasoavana izay tombon’andro mbola omen’Andriamanitra antsika mba hikatsahantsika ny fanjakany.

Sambatra loatra tokoa ianareo raha mitàna ny didy, ka mahatsiaro ny tenin’ny Tompo. Izy no aro sy vonjinareo ry mpanota mahantra, eny andala-mideza alehanareo. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...