Alakamisy 22 jolay 2021 — Masimbavy Maria Madalenina — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1. 11-18

Asa raha mba tsapantsika fa ny olona miova ho ratsy izay fosafosain’ny fiaraha-monina eny no tena misongadina sy malaza eo amin’ny fiainana andavanandro. Izany hoe ireny olona mivarilavo na mibirioka na mivaona eo amin’ny fiainany ireny.

Fa etsy andanin’izay koa anie dia mba misy ihany, ary tena marobe ireo olona miova famindra mihatsara sy mihavao ary miova fo ka miala amin’ny fahazaran-dratsiny na mandao ny lalan-dratsiny. Ohatra ho antsika amin’izany i Maria Madalenina, ilay vehivavy mpanota nivalo ka lasa olom-baovao teo anatrehan’i Jesoa. Tena azo alain-tahaka tokoa ny hatsaram-panahy nananany.

Vehivavy tena fatra-pitia an’i Jesoa, nanara-dia Azy, nanompo Azy ka niezaka nanaraka an’i Jesoa hatreo am-pototry ny Hazofijaliana. Tena hoe vavolombelona nanatri-maso ny fampijaliana nahatra tamin’i Jesoa, hany ka niombom-piainana taminy.

Vehivavy be herim-po : Izy no olona voalohany nahita fa tsy tao am-pasana intsony i Jesoa nony marainakoa ny andro. Noreseny ny tahotra satria tsy mba misy tahotra ny fitiavana. Vokatr’izany dia mbola izy ihany koa no nisehoan’i Jesoa voalohany nony tafatsangan-ko velona. Resy lahatra tokoa izy fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa.

Vehivavy mpitory ny fitsanganan-ko velona, satria mbola izy ihany no nandeha nampilaza tamin’ireo Apôstôly fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Tena iraka’Andriamanitra ho mpiara-miasa mavitrika tamin’ny Apôstôly izy ka azo lazaina fa Apôstôly mihitsy aza tamin’ny fihetsika nasehony na dia vehivavy aza.

Hamaranana azy dia amin’ny maha olombelona antsika, mitafy nofo sy rà, dia azo hihoharana tsara ny kilema sy fahalemena eo amin’ny fiainana. Nomen’Andriamanitra fahasoavana isika ka afaka mivoatra sy manome izay hatsarana ao amintsika. Ary aza adinoina fa tian’Andriamanitra isika, koa andao haka tahaka an’i Maria Madalenina amin’ny hatsaram-panahy nananany.

Raha tsikilovinao ireo heloka natao, zovy re ry Tompo no haharitra ? Eny e, tsy tonga ho an’ny olo-marina tokoa i Kristy fa ho an’ny mpanota. Koa diovy aho Tompo ô, sasao madio ny tenako. Esory lavitra ny foko ny ota tena halanao. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...