Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

Andian’ondry eo an-tanan’Andriamanitra isika, hoy ny foto-kevi-dehibe omen’ny Fiangonana hivelomantsika amin’izao Andron’ny Tompo izao. Maro ny fampianarana azontsika raisina ato amin’ity Vaovao Mahafaly androany ity mba hahazoantsika mivelona tsaratsara kokoa ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika. Anisan’izany ohatra ny tokony hananantsika fotoana hivavahana na fanokanana fotoana hiarahana amin’Andriamanitra, hitondrana eo anatrehany ny vokatry ny asa fanirahana notanterahana, hifampizarana Aminy ny zavatra rehetra nitranga sy niainana. Io fotoana hihaonana amin’Andriamanitra Ray io dia anisan’ny manamarika ny fiainan’i Jesoa manontolo (Jereo Mk 1, 35 ; Mk 5, 46 ; Mk 9, 2…) ka fantany ny maha zava-dehibe izany. Izany indrindra koa no antony hiantsoany ireo mpianany handeha hitokana any amin’ny tany mangingina rehefa tafaverina avy any amin’ny tany nanirahana azy. Ny fivavahana mantsy no loharano hanovozana ny hery entina miaina sy ny fahazavan-tsaina ary ny fahalalana ho entina manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.

Ry havana, isika vita batemy no Apôstôlin’izao taonjato iainantsika izao, ka ny toerana rehetra misy antsika : ao an-tokantrano, any am-piasana, any an-tsekoly, eny an-dalana sns… dia toerana anirahan’i Jesoa antsika hitoriana ny Vaovao Mahafaly sy hijoroana ho vavolombelona avokoa. Koa raha manatontosa izany isika amin’ireo adidy aman’andraikitra sy amin’izay rehetra ataontsika dia miantefa amintsika koa ny antso mba hanokana fotoana hivavahana, na vavaka samirery izany na vavaka iombonana, toy ny famonjena lamesa na fanompoam-pivavahana na fiatahana Masina na laretirety.

Mbola tsy miantefa aminao ny antsoko dia indro Ianao ry Tompo, nanolo-tanàna Ahy. Avia hoy Ianao, hanaraka ny diako. Ny foko ho anao miraiki-pitia. Notsimbininao ry Tompo izany fahantrako, ny androko rehetra afoiko ho Anao fa lalina ho ahy ny fitiavanao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...