29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.

Ny tena zava-dehibe dia ny votoatin'ny fiainan'i Saturnin, satria mitovy avokoa ireo, araka ny volazan'ireo tahirin-tsoratra samihafa ireo. Na izay nilaza fa tamin'ny taonjato voalohany izy no niaina na ireo izay milaza fa tamin'ny taonjato fahatelo, dia mitovy ny votoatin'ny fiainany. Voalaza mantsy fa nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule izy. Eveka izy tamin'izany, maro ny fiangonana naoriny sy ny fanjakan'ny demony noravany. Nahomby ary nahitana vokatsoa ny fitoriana nataon'i Saturnin tany Arles sy Nîmes. Noho io fitoriana an'i Kristy io, dia nampidirina am-ponja izy tany Carcassone, nefa nisy anjely nanafaka azy tamin'izany. Tany Toulouse indray, nisy vehivavy boka, ka rehefa tafavoaka ny rano nanaovana batemy ilay vehivavy dia sitrana ary maro ireo nibebaka tao an-tanana tao aorian'izay. Tsy vitsy koa ireo olona tonga ao aminy, mitondra marary ka ny famantaran'ny hazofijaliana no hanasitranany azy. Nitory ny Vaovao Mahafaly tany Espagne ihany koa i Saturnin, fa niverina tany Toulouse ihany izy avy eo satria tao no ivon'ny iraka nataony izay nandatsahany ny rany.

Rehefa nangingina ny fanompoana ny andriamanitry ny sampy dia nikaon-doha ireo mpisorona fa raha mbola avela hitory an'i Kristy i Saturnin dia ho faty momoka ny fombam-pivavahan'izy ireo. Nampirisihan'izy ireo àry ny vahoaka, ka raha nandalo i Saturnin dia niantsoantso izy ireo hoe : "Avia manolotra sorona amin'ny andriamanitray, raha tsy izany hahita loza ianao", nefa fitoriana an'i Jesoa Kristy no namalian'i Saturnin an'izany. Tamin'io fotoana io dia nianjera ilay sampy tao an-tempoly ary vaky nitresaka. Romotra ireo mpanompo sampy. Tamin'io fotoana io, tao amin'ny Capitole, ilay tempoly lehibe tamin'izany, nisy omby hatolotra hovonoina amin'ny sorona, nofatorana tamin'ny tady mahazaka, ary nafatotra tamin'io ny tongotr'i Saturnin. Nokapohina io omby io ka nirifatra nitaritarika an'i Saturnin tamin'ny tohatra ka nikapoka tamin'ny riran'ny zanatohatra ny lohany. Tafavoaka teny amin'ny arabe ilay omby ary noviravirainy teny i Saturnin mandra-pahatapaky ny tady, ary navelany teo rehefa tapitra ny ainy. Marihana fa teo amin'io toerana nantsoina hoe Route de Cahors na Rue de Taur no naorina ilay fiangonana Notre-Dame de Taur. Teo amin'io toerana nahafatesany io ihany mantsy no nandevenana an'i Saturnin. Lasa fanaovana fivahinianana masina malaza io teorana io, ary voalaza fa tamin'ny taona 402 no nafindra tany amin'ny basilique vaovao ny reliques an'i Saturnin. Basilique naorin'i Masindahy Sylve, eveka tao Toulouse, izy io, ary i Exupère no namita azy ka nampitondraina ny anarana hoe Basilique Saint-Sernin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...