Manentana ny kristianina rehetra maneran-tany ny Papa François amin'ity volana mey ity hanandratra vavaka miaraka amin'i Masina Maria, mba hitsahatra ny valanaretina Covid-19. Izao fitsapana izao no hanehoantsika ny finoantsika tsy azo hozongozonina

sy hanamafisantsika ny fanantenantsika ary hanaovantsika asa fanehoam-pitiavana na ara-batana na ara-panahy ho fanampiana ny hafa. Fiombonam-bavaka isan'andro amin'ny alalan'ny rozery, miaraka amin'ireo kristianina ao amin'ny "sanctuaires mariaux" miisa telopolo maneran-tany.

Ireo hanolorana vavaka isanandro

  • 01 mai : Ho an'ireo nodimandry
    02 mai : Ho an'ireo tsy mba afaka mamangy ny fianakaviany
    03 mai : Ho an'ireo voan'ny areti-mifindra sy marary
    04 mai : Ho an'ireo vehivavy bevohoka sy ireo zaza vao teraka
    05 mai : Ho an'ny ankizy sy ireo zatovo
    06 mai : Ho an'ny tanora
    07 mai : Ho an'ny fianakaviana
    08 mai : Ho an’ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fifandraisana
    09 mai : Ho an’ireo zokiolona
    10 mai : Ho an’ireo manana fahasembanana
    11 mai : Ho an’ireo mahantra tsy mana-kialofana sy ireo sahirana ara-toekarena
    12 mai : Ho an’ireo manirery sy very fanantenana
    13 mai : Ho an’ireo voafonja
    14 mai : Ho an’ireo mpikaroka sy toera-pikarohana fanafody
    15 mai : Ho an’ireo mpifindra monina
    16 mai : Ho an’ireo iharan’ny herisetra sy fanondranana olona
    17 mai : Ho an’ny mpitondra firenena sy fikambanana iraisam-pirenena
    18 mai : Ho an’ny mpitsabo sy mpitsabo mpanampy
    19 mai : Ho an’ireo mponina any amin’ny tany miady sy ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany
    20 mai : Ho an’ny farmasianina sy ireo olona rehetra mikatroka amin’ny tontolon’ny fahasalamana
    21 mai : Ho an’ireo mpandraharaha amin’ny fanampiana ara-tsosialy
    22 mai : Ho an’ireo mpilatsaka an-tsitra-po
    23 mai : Ho an’ireo mpitandro ny filaminana, ny tafika sy ny mpamojy voina
    24 mai : Ho an’ireo miantoka ny asa ilaina maika
    25 mai : Ho an’ireo mpampianatra, mpianatra sy mpanabe
    26 mai : Ho an’ireo mpiasa sy mpandraharaha
    27 mai : Ho an’ireo tsy an’asa
    28 mai : Ho an’ny Papa sy ny eveka ary ny pretra sy diakra
    29 mai : Ho an’ireo ao amin’ny fiainana voatokana
    30 mai : Ho an’ny Eglizy
    31 mai : Ho an’ny fitsaharan’ny valanaretina sy ny fiveran’ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ny tontolon’ny asa amin’ny laoniny

Vavaka famaranana

Hitalohantsika ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny alalan'ity vavaka hiarahantsika amin'i Masina Maria ity, eo am-pamaranana ny vavaka isan'andro.

"Izahay mifefy aminao, ry Reny Masin'Andriamanitra,

Amin'izao toe-javatra mampitebiteby, feno fijaliana sy ahiahy izay mihatra amin'izao tontolo izao, dia mitodika any aminao izahay, ry Renin'Andriamanitra sady Reninay, ary mitady fialofana eo ambanin'ny fiarovanao .

Ry Maria Virjiny ô, topazo ny masonao be famindram-po izahay, ao anatin’izao areti-mandringana coronavirus izao, ary herezo ireo namoy sy mitomany ny havan-tiana nondaosin’ny fahafatesana, izay nalevina tamin'ny fomba mahavaky fo ny sasany tamin’izy ireny. Tohano ireo izay mitebiteby noho ireo marary eo aminy, mba hisorohana ny areti-mifindra, dia tsy afaka manakaiky azy ireo. Omeo fahatokisana ireo manahy ny ho aviny tsy azo antoka sy ireo manahy ny vokadratsin'izao amin’ny toe-karena sy ny asa.

Ry Renin'Andriamanitra sady Reninay, mangataha amin'Andriamanitra, Rain'ny famindram-po, ho anay, mba hitsahatra izao fitsapana mafy izao ary hiverina ny tontolon’ny fanantenana sy ny fiadanam-po. Toy ny tany Kana, italahoy ny Zanakao Masina, mba hankahery ny fianakavian'ny marary sy ireo niharam-boina, ary hanokatra ny fony hatoky.
Arovy ny mpitsabo, ny mpitsabo mpanampy, ny mpiasan'ny fahasalamana, ny mpilatsaka an-tsitrapo, amin'izao vanim-potoanan’ny hamehana izao, izay manao vy very ny ainy hamonjy ain'olona hafa. Tohano ao amin’ny havizanany feno herim-po izy ireo ary omeo tanjaka sy hatsaram-po ary fahasalamana.
Mitoera eo anilan'ireo mikarakara ny marary, andro aman'alina, ary koa ireo pretra, izay miahy ny fanahy sy manolo-tena araka ny Evanjely, mikatsaka ny hanampy sy hanohana ny tsirairay amin'izy ireo.

Ry Virjiny Masina, hazavao ny sain'ny lehilahy sy ny vehivavy mpikaroka ara-tsiansa, mba hahita vahaolana marina izy ireo, handresena ity tsimokaretina ity.
Tohano ireo tompon’andraikitra eo amin’ny firenena, mba hiasa amim-pahendrena sy fiahiana ary fahalalahan-tanana, eo am-pamonjena ireo izay tsy mba manana akory izay tena ilaina mba hivelomana, amin'ny alàlan'ny fandrindrana ny vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena amim-pahiratan-tsaina sy firaisan-kina.

Ry Maria masina indrindra, hetseho ny feon'ny fieritreretana ka ny vola be ampiasaina mba hampitomboana sy hanatsarana ny fitaovam-piadiana anie hatokana hampiroborobo ny fandalinana hahafahana misoroka ny loza mitatao amin'ny ho avy.

Ry Reny tiana indrindra, ampitomboy ao amin’izao tontolo izao ny fahatsapana fa ao anatin’ny fianakaviana lehibe iray izahay, ka hahatsapa ny rohy mampiray anay rehetra, mba hanampianay hiadiana amin’ireo endrika fahantrana maro sy fahoriana ao anatin’ny firahalahiana sy firaisan-kina. Herezo izahay mba hanana finoana tsy azo hozongozonina, mba hanana fitozoana amin'ny fanompoana, ary ny faharetana amin'ny vavaka.

Ry Maria, Mpanampitamby ny malahelo, arovy sy fihino ireo zanakao rehetra ao anatin’ny safotofoto ary angataho Andriamanitra, haninjitra tànany mahefa ny zavatra rehetra mba hanafaka anay amin'ity valanaretina mahatsiravina ity, mba hahafahan'ny fiainana miverina amin'ny laoniny.

Matoky Anao izahay, ianao izay mamirapiratra amin'ny lalanay toy ny famataram-pamonjena sy fanantenana, ry be indra fo, ry mpamindra fo, ry Maria Virjiny. Amena.

Tariho ny dian'ireo mpivahiny izay maniry hivavaka sy hitia anao any amin'ireo toerana masina natokana ho anao maneran-tany, miaraka amin'ny fiantsoana maro isan-karazany izay hahatsiarovana ny fitalahoanao, meteza ho mpitari-dalana azo antoka ho an'ny rehetra. Amena"

Dikan-teny nankatoavin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...