24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.

0 : 00

Fotoana tena nampivaivay ny fanenjehana ny kristianina tao Viêtnam tamin'izany fotoana izany. Tany amin'ny taonjato fahenina ambin'ny folo tany no nanomboka ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tao Viêtnam, ary niroborobo fatratra ny Fiangonana, noho ny rà nalatsak'ireo martiry. Amin'izao fotoana izao mantsy dia mahatratra dimy amby roapolo ny diôsezy ao Viêtnam, ary saika folo isan-jaton'ny mponina no katôlika. Araka ny voarakitra ao amin'n tantaran'ny Fiangonana ao Viêtnam dia mahatratra telo amby dimampolo ireo lalana navoaka, nandritra ny taonjato telo nifandimby, dia ny taonjato faha-17, faha-18 ary ny faha-19, izany hoe nandritra ny iraka amby enipolo sy roanjato taona. Izany lalana izany dia navoaka hanoherana ny krsitianina sy hanenjehana azy ireo , ary mihamavesatra sy mihamahery setra hatrany ny fampijaliana sy ny fanenjehana. Nahatratra telo alina sy iray hetsy ny olona lasibatra nanerana an'i Viêtnam tamin'izany fanenjehana ny kristianina izany.

Raha hiverenana kely ny momba ireo martiry tsaroana amin'ity andro anio ity, izay efa namabra teo fa teo anelanenlan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862, dia misy :

  • Espagnols iraika ambin'ny folo, avy amin'ny fikambanan'ny Ordre des Prêcheurs avokoa izy ireo na ny dominicains, ka enina eveka, ary ny dimy pretra ;
  • Nisy ihany koa frantsay folo, pretra avy amin'ny Société des Missions Étrangères de Paris ; ny roa eveka ary pretra ny valo ;
  • Vietnamiens, enina amby sivifolo ka anisan'izany i André Dũng-Lạc. Fito amby telopolo ireo pretra niaraka taminy ka ny iraika ambin'ny folo amin'ireo dia dominicains. Ny sivy amby dimampolo dia lahika : ny iray seminarista ary ny enina ambin'ny folo katesista ; ny folo tértaires dominicains ; ary ny iray vehivavy.

 

  • Ny roa tamin'ireo dia maty martiry tamin'ny fotoana nitondran'i Trinh Doanh (1740-1767) ;
  • Ny roa maty tamin'ny nitondran'i Trinh Sam (1767-1782) ;
  • Ny roa tamin'ny fotoanan'i Canh Thinh (1782-1802) ;
  • Ny valo amby dimampolo, tamin'ny amperora Minh Mạng (1820-1841) ;
  • Ny telo tamin'ny amperora Thiệu Trị (1841-1847) ;
  • Ary ny dimampolo farany dia tamin'ny amperora Tự Đức (1847-1883).

Samy hafa ny fomba namonoana azy ireo, ny dimy amby fitopolo tamin'izy fito ambin'ny folo amby zato ireo dia notapahan-doha ; ny roa amby roapolo, nokendaina ; ny enina nodorana velona ; ny dimy nofatorana ny rantsam-batany ka notaritaritina ; ny sivy nampijaliana ary maty tao am-ponja. Na dia tsy fantatra loatra ary izay fomba nandevenana azy ireo dia tsy maty tao am-pon'ny Fiangonana ny fahatsiarovana ireto martiry fito ambin'ny folo amby zato ireto.

Satria samy hafa ny fotoana nahafatesan'izy ireo dia samy hafa ihany koa no nanandratan'ny Fiangonana azy ireo ho olontsambatra. Ny efatra ambin'ny folo ohatra dia tamin'ny taona 1900, tamin'ny andron'ny papa Léon XIII. Ny valo tamin'ny taona 1906. Ny roapolo tamin'ny taona 1909, ireo dia samy tamin'ny andron'ny papa Pie X. Ny dimy amby roapolo kosa tamin'ny taona 1951, tamin'ny andron'ny papa Pie XII. Niaraka nasandratra ho olomasina izy ireo ka ny papa Jean-Paul II no nanao izany tamin'ny 19 jona 1988. Isan'ny tein'ny pretra dominicain tamin'izy ireo ny hoe : "Ny olona hendry, manan-karena finoana sy matanjaka amin'ny fanantenana dia tsy matahotra sabatra", ary nentin'izy ireo nijoro hatramin'ny farany tamin'ny fanehoana ny finoana izany herim-po nananan'izy ireo izany.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...