Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka. Nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny misionera, dia izy no nanampy ny kristianina katolika hiaina ny finoana sy hiray hina hatrany, ka niara niasa tamin'i Frera Rafiringa izy tamin'izany.

Arahantsika amin'ity fandaharana ity ny hafanam-po sy ny hatsaram-panahin'i Victoire Rasoamanarivo, ilay Olon-tsambatra malagasy voalohany, iarahana amin'i P Abdon Rafidison, Recteur de Théologat , Faliarivo-Antananarivo

0 : 00

 

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...