"Ny faniriako dia ny ho pretra tia vavaka, manolo-tena sy manamasina ny vahoakan’Andriamanitra", hoy i Fr.  Rasolomanana Mamory, iray tamin’ireo diakra 18 nohamasinina ho pretra ny 31 oktobra 2020, teto amin’ny Arsidiosein’Antananarivo. Fito tamin’izy ireo no nanaiky hifampizara ny fanambiny aorian’ny fanamasinana pretra dia

ny fahamasinana, ny fanoloran-tena, ny fanetren-tena, ary ny fitantanana ny vahoakan’Andriamanitra. Fanehoam-piainana ny zoma 30 oktobra 2020, nataon’ny diakra diosezanina miisa 03 : Rasolomanana Mamory Régis, Ralaiarivelo Thierry, Ramarovahoaka Pierre Emile, sy diakra zezoita 04 : Randrianoelisoa Jean Rémi Eugène, Razafindraibe Angélo, Rajaoarivony Paul Eugène, Razafimahatratra Jeritiana,

0 : 00

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...