Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka. Nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny misionera, dia izy no nanampy ny kristianina katolika hiaina ny finoana sy hiray hina hatrany, ka niara niasa tamin'i Frera Rafiringa izy tamin'izany.

"Ny faniriako dia ny ho pretra tia vavaka, manolo-tena sy manamasina ny vahoakan’Andriamanitra", hoy i Fr.  Rasolomanana Mamory, iray tamin’ireo diakra 18 nohamasinina ho pretra ny 31 oktobra 2020, teto amin’ny Arsidiosein’Antananarivo. Fito tamin’izy ireo no nanaiky hifampizara ny fanambiny aorian’ny fanamasinana pretra dia

Hatrany am-piandohana no noharian’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona. Saingy ny fandriky satana no nahalavo ny olona ka nahavery ny hasambarany. Isan’ny voalohany indrindra amin’izany hasambarana izany ny fiombonany aina tamin’Andriamanitra. Fandalinam-pinoana miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy , Arsidiosezin'Antananarivo.

Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...