♦ Manambana ny hampikatso ny raharaham-panjakàna ny alakamisy izao ny SSM. Manome 72 ora ireo hery velona rehetra eto amin'ny firenena izy ireo, hitady vahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Mangataka ny hanemorana indray ny fifidianana filoham-pirenena ny kandidà Andry Raobelina. Nanatitra taratasy fitoriana teny amin'ny HCC ny mpisolovava azy omaly, noho ny mbola fitsaboana azy any ampita, izay nambara fa antony tsy azo anoharana... ♦ Rongony 1.300kg mahery no saron'ny pôlisy teny Ambinibe-Andavamamba. Olona 5 no tra-tehaky ny pôlisy tamina trano fandraisam-bahiny iray, saika hanaparitaka ireo zava-mahadomenina ireo...

♦ Hampikatso ny raharaham-panjakana ny SSM, raha tsy misy ny fifanatonana ao anatin'ny telo andro, mba hikaroham-bahaolana amin'ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Niara-nanangan-tsaina teny Ampahibe androany, ny mpitandro ny filaminana telo tonta, izay notarihin'ny Minisitrany avy. Tazana teny an-toerana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha... ♦ Milanja iray taonina sy 376 kg, ireo rongony efa voazara tao anatin'ny gony miisa 108, izay tra-tehaky ny pôlisy alina, teny Ambilanibe Andavamamba...

♦ Atao amin'ny alalan'ny teknôlojia vaovao "en ligne" manomboka izao ny fanambarana ny karaman'ny mpiasa mpikambana ao amin'ny CNaPs... ♦ Nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana, raha vao nitranga ny fahamaizan'ny tranom-barotra TSENA MAITSO teny Behoririka tamin'ny zoma alina... ♦ Tsy hanaiky ny fanakatsakanana ny tombontsoan'ny be sy ny maro ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina. Tsy mankasitraka ny hanaovana ny fifidianana amin'ny 16 nôbambra ireo vondron'ny kandidà 11... ♦ Tonga tany Gaza omaly ny andiany faharoa amin'ny fanampiana ho an'ny mponina any, camion 17 isa nitondra rano, sakafo, fanafody. Tsy ampy mihitsy anefa izany...

♦ Mihaona amin'ny mpanara-dia azy eny Antsonjobe indray androany ny vondron'ny kandidà raha toa ka ao Mahajanga no manohy ny fampielezan-kevitra ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina... ♦ Namoaka ny andiany faha-77 amin'ny mpianatra ho zandary ny sekolim-pirenen'ny zandary tao Ambositra. Miisa 1.495 isa, omaly no navoaka tamin'ny fomba ôfisialy. Vehivavy ny 215 isa ary miisa 1.280 ny lehilahy... ♦ Nanamarika ny faha herintaona nijoroany ny Bataillon Médicale eny ampahibe. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministry ny Fiarovam-Pirenena ny Jeneraly Rakotoarijaonina Josoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...