Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin’i Tsiroanomadidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Efatra taona lasa izay no nanendrena an’i Mgr Gustavo Bombin Espino, evekan’io dioezy io teo aloha ho evekan’i Maintirano. Ny alahady 11 jolay 2021 no nanatanterahana ny fanamasinana azy ho eo amin’ny laharana mahaeveka, tao amin’ny kianjan’ny lisem-panjakana, tao amin’ny renivohitry Tsiroanomandidy.

Intelo miantoana no nandraisan’ny kristianina sy ny mponin’i Tsiroanomandidy azy, tamin’ny fomba manetriketrika, ny sabotsy 10 jolay 2021 mialoha ny fanamasinana. Teo amin’ny reniranon’i Sakay manasaraka ny faritr’Itasy sy Bongolava, vavahady hidirana ao amin’ny diosezin’i Tsiroanomandidy no fandraisana voalohany ; kabarin’ny Lehiben’ny faritr’i Bongolava, teo antampon-tanànan’Ankadinondry Sakay, narahana dihy mirindra sy zava-maneno no fandraisana faharoa. Ary horakora-pifaliana, miharo kabary nifandimbiasana nataon’ireo manam-pahefana sy mpitondra samihafa ao amin’ny Fiangonana no namaranana ny fandraisana, notanterahina tao katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky.

Notsenaina tamin’ny alim-bavaka ny alahadin’ny fanamasinana. Nialohavan’ny vavaka hariva fanamasinana ny andro ny fizaran’i Mgr Gabriel ny dingam-piainana nolalovany namaliana ny antson’Andriamanitra, izay noravahan’ny hira fiderana nataon’ireo fianakavian’ny eveka hohamasinina, ny kristianina avy amin’ny diosezin’i Moramanga sy Ambatondrazaka, toerana niaviany sy niasany, ny fianakaviana salezianina noforonin’i Masindahy François de Sales sy ny mpiara-miasa tao amin’ny episcopat. Nitohy mandra-maraina ny alim-bavaka ka nifarimbona nampiaina izany ireo antokom-pihira avy amin’ny fiangonana ao amin’ny diosezy.

Teo amin’ny famaranana ny fifampizarana nataony no nanazavan’i Mgr Gabriel ny marik’apinga nofidiany na ny "armoiries" izay mamintina ny fiainana sy ny fanambiny :

Ny lakroa manambara an’i Kristy, arahan’ny eveka ; ny Eokaristia : ivon’ny fiainan’ny kristinina sy ny eveka ; ny voromailala, midika ny fanilovan’ny Fanahy Masina, manampy ahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sarin’i Masina Maria sy i Jesoa Mpiandry ondry Tsara, modely sy ohatra tonga lafatra amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sarin’izao tontolo izao, izay maneho ny sehatra iasana, ahitana ny faritra Bongolava marihina amin’ny’ny sarin'omby. Ny trondro sy ny vary manamarika ny faritra Alaotra Mangoro, toerana fiavian’ny eveka. Ary ny soratra : "Non mea voluntas sed tua" midika hoe : "Tsy ny sitrapoko fa ny Anao".

I Mgr Philippe Ranaivomanana, evekan’Antsirabe, no nanamasiana ireo fitaovana natokana ampiasain’ny eveka sy nanazava ny hevitr’ireo fitaovana ireo : Ny "Mitre" na ilay satroka matsilo izay apetraka eo amin’ny lohan’ny eveka miendrika boky misokatra dia tandindon’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao na Tenin’Andriamanitra izay tokony ho ao amin’ny lohan’ny eveka, miaraka amin’ny lovam-panahin’ny Fiangonana hampitaina. Ny "Crosse" na tehina ahitàna lakroa eo amin’ny tendrony ambony, izay tandindon’i Jesoa Kristy, ilay itehenan’ny eveka, sy iankinany, manambara izay ambarany amin’ny maha mpiandry ondry solontenan’i Jesoa Mpiandry ondry Tsara azy. Ny "Calotte" : ilay satroka miendrika boribory apetraka eo an-tampon-dohan’ny eveka sy hosorana menaka, manambara ny Fanahy Masina. Ny Peratra apetraka amin’ny rantsan-tanana havanana midika ho fahefana sy ny hasin’ny diosezy eo am-pelan-tanan’ny eveka, ka rehefa manoroka ny peratra ny krisitianina dia manome hasina ny diosezy. Ny peratra ihany koa dia famantarana ny fifamatorana eo amin’ny eveka sy ny kristianina eo amin’ny diosezy. Midika fitombokase ihany koa ny peratra.

Eveka telo no nanamasina ny eveka ny alahady 11 jolay 2021 ka i Mgr Desiré Kardinaly Tsarahazana, Arvesekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondranam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, no mpanamasina voalohany, nampian’i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solontenan’ny Papa Ray masina eto Madagasikara, sy i Mgr Gustavo Bombin Espino, Evekan’i Maintirano izay hodimbiasan'i Mgr Gabriel.

Nantitranterin’ny Mgr Fabien, Filoha lefitry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, evekan’i diosezin’i Morondava, tamin’ny lahateny nataony fa ny mifanindran-dalana amin’ny nilazana tamin’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra, ny nilazana tamin’ny Mgr Gabriel ho evekan’i Tsiroanomandidy. Ary toy ny hafaliana nambaran’ny anjely Gabriely tamin’ny nahaterahan’i Jesoa, ny hafalian’ny diosezy nahazo eveka vaovao. Tafiditra amin’ny vanim-potoanan’ny Papa François, hoy izy, i Mgr Gabriel, midika izany fa tokony ho mpiandry ondry mivoaka mitady ny sahirana sy ny anjorom-bala izy. Tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina Covid-19 koa izy ka miara-ory amin’ny vahoakany ao anatin’ny aretina.

Fifandimbiasana fandraisam-pitenenana no namaranana ny fotoana : ny solontenanan’ny diosezy sy ny fianakaviana, i Mgr Paolo Rocco Gualtieri izay niarahaba sy nanolotra firarian-tsoa ho an’ny Mgr Gabriel amin’ny maha mpiandry ondry azy ; ary ny eveka vaovao izay nisaotra ny vahoaka. Nisaotra manokana an’i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique, izay mpitari-dalana azo antoka izy, nisaotra ny Kardinaly Tsarahazana Desiré, izay nitarika ny Sorona Masina sady mpitantana ara-panahy teo amin’ny andraikitra nosahaniny teo aloha, ary nisaotra an’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona Arsevekan’Antananarivo, nanao ny toriteny sy nanazava tsara ny andraikitra sy ny fanamby miandry ny eveka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...