Papa Bio na antsoina hoe Ranaivoarisoa Basile, mpikaroka sy mpisehatra amin'ny fambolena biôlojika. Tantsaha mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny famokarana biôlôjika, miainga avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

0 : 00

 ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fampiasana ny fantana mitsitsy ihany koa, ny fambolena biôlôjika miara-dia amin'ny famokarana sy fampiasana ny zezika kankana.

Efa noresahina im-betsaka ny momba ny teknika noketrehan'ingahy Ranaivoarisoa Basile momba ny fambolena biôlôjika ampiasana ny zezika kankana. Misy fihavahany ny teknikany, noho ny fikarohana tsy mitsahatra, mba hanatsaràna sy hampahomby hatrany ny vokatra azo avy aminy. Misy indray ny voka-pikarohana vaovao noho izay fanatsaràna izay. Hirika hozarain'i Pape Bio, ny zava-baovao momba ity famokarana zezika kankana ifotorany ity.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...