Teraka tamin'ny 19 Jolay 1932 i mompera Lorenzo SCARFONE ary natao Batemy tao Scilla any amin'ny faritra Calabria any Italia. Tao amin’ny Bazilikan’i Md Joany ao Latran (Roma) no nandraisany ny sakramentan'ny fankaherezana.

Teo amin’ny faha- 19 taonany izy no niditra tao amin'ny Novisià tao Varazze (1949-1950). Tamin'ny voalohany dia nanao ny voady mandritra ny telo taona izy (1950-1953), izay efa fomba fanao tamin'izany fotoana izany; ary avy eo roa taona. Tany Roma Mandrione izy no nanao ny « stage » na ny atrik’asa ary nanao ny voady mandrakizay tamin'ny 1955.

Tao Messina, Sicile no nianarany ny teolojia ny taona 1955 ka hatramin'ny 1959 ary nohamasinina ho pretra tamin'ny 29 jona 1959, tamin'ny andro fankalazana an’i Md Piera sy Md Paoly. Nahazo ny mari-pahaizana momba ny teolojia tao amin'ny Antonianum izy tamin'ny 21 jona 1970. Voatendry ho lehiben’ny ankohonam-piainana tao Latina izy tamin'ny 1975 ka hatramin'ny 1981, ary tompon'andraikitra tamin'ny Oratorio tao Lanuvio tamin'ny 1981-1983.
NY ASANY TETO MADAGASIKARA

Isan'ireo misionera Salezianina voalohany tonga teto Madagasikara I P. Lorenzo SCARFONE, na dia tonga roa taona taorian'ny ekipa voalohany aza izy. Tao amin’ny Clairvaux Ivato no nanombohany ny asany teto Madagasikara ny 28 desambra 1983 ka hatramin'ny 1985.

Niato kely anefa izay asany teto izay satria voaantso hiverina hiasa tany amin’ny fiaviany (Roma) izy ny 1985-1986. Rehefa niverina teto an-toerana izy dia voatendry hiasa tany Ijely amin’ny diosezin’ny Miarinarivo ny 1986 – 1996. 1990-1996, voatendry ho pretra tompom-paritany na curé tao amin'ny distrikan' Amboditanimena izy. Taorinan'izay, 1996 – 2001, voatendry ho lehiben’ny ankohonam-piainana tao Ijely izy sady pretra miadidy ny distrikan’Amboditanimena. Noho izany andraikitra maro izany dia nipetraka nandritra ny 15 taona tao Ijely izy.

  • 2001 – 2002: Nanao taona fialantsasatra tany Roma izy ary nanararaotra an'io fotoana io mba hitsaboany ny tenany.
  • 2002 – 2006: Rehefa niverina izy dia voatendry hiasa tao Betafo. Asa maro no nataony: mpiandraikitra ny sekoly kôlejy Md Louis, sady mpanampy tao amin’ny Paroasy, ary niasa mafy koa tao amin’ny fampiroboroboana ny Oratorio.
  • 2006 – 2009: Voatendry ho lehiben’io ankohonam-piainana io izy.
  • 2012 – 2015: Niverina tao amin'ny Clairvaux izy, izay toerana nanombohany ny iraka nampanaovina azy teto Madagasikara. Noho ny tsy fahasalamany dia niverina tany Italia izy ; ary tamin'ny 4 Jolay 2015, nangataka tamin’ny lehibem-pikambanana eran-tany izy mba hifindra sy hipetraka any amin'ny toeram-piaviany any Italie.
  • 2015 – 2020: Nifindra nipetraka tao amin'ny toeram-pitsaboana Md. Pio XI tao Roma izy, ary tao ihany koa no niantsoan’ny Ray azy hody any aminy ny 29 Janoary 2020.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...