17 ôktôbra — Mpadimby an'i Masindahy Pierre tao aorian'i Évode tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tany Antioche, tokony ho tamin'ny taona 70 tany ho any i Masindahy Ignace resahana izao. Raha hiverenana kely ny tantara dia nandositra nankany Antioche ireo kristianina tao Jerosalema, rehefa nafana ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany.

Mbola tsy ampy telopolo taona akory i Ignace no voafidy ho eveka, ary tsy i Antioche ihany no Fiangonana notantaniny tamin'izany fa teo ihany koa ny tany Syrie sy ny tany Silicie. Voalaza fa anisan'ireo olona mpanompo sampy nibebaka voalohany tao amin'ny tananany ny ray aman-drenin'i Ignace. Mbola tanora i Ignace dia kristianina noho ny fifaneraserany tamin'ireo efa kristianina, satria ny tanana nitoerany dia fivezivezen'i Pierre sy Paul ary ireo apôstôly hafa. Noho izany dia fantatr'izy ireo ihany koa i Ignace.

Rehefa nitantana ny Fiangonana tao Antioche nandritra ny telopolo taona i Ignace dia nosamborina tampoka, tsy fantatra hoe ahoana. Raha ny filazan'ny tahirin-kevitra dia tao aorian'ny nahafatesan'i Domitien dia somary niaina tamim-piadanana ny Fiangonana. Tamin'izay tao Bithynie i Pline, governora tao nandritra ny taona 111 hatramin'ny taona 113, nanoratra tany amin'i Trajan, nanontany azy izay tokony hatao sy ny fihetsika amin'ireo kristianina, satria mantsy niresaka tamin'ny vehivavy kristianina roa izy, dia nampijaliany ireo, Fa hoy i Trajan hoe : "Aza manenjika kristianina, fa raha misy fandavana baiko dia melohy avy hatrany". Nambara àry, fa i Ignace mihitsy no fototra nampitroatra ireo mponina tamin'izany fotoana izany. Nosamborina izy, ary rehefa nanambara fa kristianina izy, dia nofatorana tamin'ny rojo ka nalefa tany Roma, nambenan'ireo miaramila romotra mandram-pahatongany tany amin'ny toerana hamonoana azy. Toy ny fiainan'ny hazofijaliana ny diany, na teny amin'ny tany, na teny amin'ny ranomasina, hoy izy mitantatra : "Niady tamin'ireo biby masika aho, nofatorana tamin'ny léopards folo, andia-miaramila miha romotra hatrany. Raha fehezina dia mampianatra ny tsara ny fiainako ny tsy rariny".

Nijanona ela tao Smyrne ny sambo nitondra an'i Ignace, ka maro ireo kristianina te hihaona sy hijery azy niaraka tamin'i Polycarpe. Misy ny avy any Ephèse, Magnésie sy avy any Tralle. Dia nanoratra, ho azy ireo, taratasy fankasitrahana i Ignace. Nanoratany taratasy ihany koa ny tany Roma, izay niandry fatratra ny ahatongavany tany. Rehefa nijanona tao Troade indray ny sambo dia nanoratra ho an'ny Fiangonana tao Philadélphie sy Smyrne ary ho an'i Polycarpe i Ignace. Namporisihany hatrany ny kristianina tsy hihemotra manoloana ny fampianaran-diso. Tena nahafaly an'i Ignace moa ny fiatrehany ny ady ho an'ny Kristy tamin'izany fotoana izany, nefa nambarany ihany koa fa marefo dia marefo izy ka mila ny vavak'ireo mpino mba ahafahany miatrika ny sedram-piainana. Rehefa tonga tao Roma moa i Ignace, mbola am-patorana, dia nentina teny amin'ny kianja misy ireo biby masiaka, ka nomena azy ireo horotidrotehiny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...