♦ Mila fahamailona ny fanovàna ny endriky ny diplômasian'i Madagasikara amin'izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny. Nambaran'ity mpanao pôlitika ity fa ifandrombahan'ireo firenena matanjaka hakàna tombontsoa isika... ♦ Hisy ny fivarotan'ny Fanjakàna finday sy solosaina amin'ny vidiny mirary. Finday maherin'ny 600.000 no hamidy hanombohana izany ka hanaovana andrana ny Oniversite Antananarivo sy ny any Fianarantsoa... ♦ Namaly ireo Gen-Z ao anatin'ny Fiteva nanao fanambaràn teny Tsiadana ny filoha Nasiônalin'ny Fikambanana. Nambarany fa kajikajy politika sy fikatsahana tombontsoa manokana no ataon'izy ireo...
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...
Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco