Ao anaty herinandro faha-roa amin’ny Karemy isika. Hodinihintsika manokana mandritra ny herinandro ireto hatsaram-panahy roa lehibe izay mifototra indrindra amin’ny fiainana maha-kristianina antsika tsirairay avy : « Fangorahana sy fahalalan-tanana ». Fandinihina masina iarahana amin'ny Fr. Michel Fabrice Razafimandimby, sdb.

Raha hazavaina amin’ny fomba tsotra ny hoe mangoraka dia fahatsapana ny fahoriana na ny olana mahazo ny hafa. Ny fahalalan-tanana kosa anefa dia ilay fahaizana mizara maimaim-poana vokatry ny fitiavana ny zavatra iray ho an’ny hafa. Fa androany isika dia handray lohahevitra iray izay miainga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ka miompana tanteraka amin’ireo hatsaram-panahy roa ireo. Bokin’ Izaia Mpaminany 49,15 : « Hanadino ny taizany va ny vehivavy,ka tsy hamindra fo amin'ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao!
Ndeha àry halaintsika avy amin’io Tenin’Andriamanitra io ilay lohahevitra lehibe hoe : Tsy misy fetra ny fitiavan’ Andriamanitra sy famindram-pony amintsika tsirairay avy. Moa “mba tsapantsika tokoa ve izany halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony izay miantefa amintsika tsirairay avy; isan’andro, isan’ora eo amin’ny fiainantsika ?” Ndeha àry handray ohatra mazava isika.
Ohatra : ao an-tokatrano. Matetika itrangana olana eo anatrehan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, na ihany koa hoe, ny beazina sy ny mpanabe. Rehefa ny zanaka no mirona tanteraka amin’ny ditra maro isan-karazany miompana amin’ny zavatra mahafinaritra fa tsy mba amin’ny zavatra mahasoa, dia eo mandrakariva ny fitiavan’ny reny an’ilay zanaka. Fa mbola lehibe lavitra noho izany ilay fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony manoloana ny olombelona tsirairay. Araka ny voalazan’Izaia Mpaminany amintsika etsy aloha.
Ka ho fandihinahana manokana ataontsika àry dia hiezaka isika tsirairay mba hanana fo mangoraka amin’ny hafa, miainga ao amin’ny tokan-trano izany ary miampita any amin’ny fiaraha-monina ; amin’ny namana; amin’ny mpiara-mianatra, amin’ny mpiara-miasa, sns..... Ataoko fa vanim-potoana tsara indrindra anehoana ity resaka fangorahana ity amin’izao vaninandro sarotra izay diavintsika izao. Eo ny aretina, eo ny fahasarihanana, eo ny loza maro samihafa izay mihatra amin’ny firenentsika. Koa tsara kokoa raha samy miaraka maneho izay toetra mangoraka izay isika rehetra satria io ilay fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra izay nomeny maimaim-poana koa mba iriny ny mba hiainantsika Kristianina azy ary ho tanterantsika am-pitiavana eo amin’ny fiainana andavan’andro.

Vavaka
Jesoa Tompo ô, tsapanay tokoa ny halehibeny fitiavanao sy ny famindram-ponao, koa mangataka ny Fanahinao Masina izahay hanilo sy sainay tsirairay avy sy hitoetra eo aminay mba hahafahanay maneho an’izay fo mangoraka izay eo amin’ny hafa manodidina anay fa indrindra amin’izao vanim-potoana karemy izay diavinay izao, Amin’ny alalan’ny Kristy Tomponay no angatahanay izany, Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...