Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

Mitohy ihany ny tenin’i Jesoa amintsika, dia ny haha vonona antsika mandrakariva : "Ho avy amin’izay ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona", hoy Izy. Tsy azo anaovana kajikajy ny hiaviny ka hiteny hoe: "Mbola afaka matory aloha izao fa ho ela Izy vao ho avy." Na koa hoe : "Impiry ho tanora" ka manao izay danin’ny kibo, na manjehy ny andro ho lava. Tsy mpangalatra Izy no ho avy fa tompony mihitsy ka mampiomana mialoha fa hiverina Izy, ny fotoana no tsy misy mahalala. Isika tsy tompony fa mpamerin-doha, toa mpiandry omby volavita. Izy Andriamanitra no tena tompony. Ho afaka manao izay tiana hatao mantsy isika raha tompony ; kanefa isika tsy afaka manao izany akory. Anjarantsika ny miomana hatrany. Aoka tsy hihambo ho tompo izany fa hanetry tena ho mpanompo, toa an’i Kristy. Izy aza moa mpanompo, ka isika mpanara-dia Azy indray ve no ho tompo ? Sakeli-mihoa-joro izany ka tsy mety.

Ankoatra izany, nanontany i Piera : ho an’iza no nanaovan’i Jesoa ny fanoharana ? Rehefa misy tsy azo mampiazoazo, tsara ny manontany fa aleo manontanitany foana ihomehezana toy izay manaonao foana ibedesana. Tsy mahadiso ny manontany. Tsy ho an’ireto mpianatra ihany ny valin-teny nomen’i Jesoa azy eto fa ho an’ny rehetra ihany koa ka samy mandray ny tandrifiny na ny mpitondra na ny entina, tsy misy afa-bela. Lasa mpitandrim-pananana koa isika noho ny Batemintsika ka tsara raha mahatoky sy hendry. Miainga amin’ny tenantsika aloha izany, vao miparitaka amin’ny hafa ; koa tandremo sao tsy mahatoky akory, tsy azo itokisana fa efa arahi-maso aza ! Tandremo sao maditra sy hikoizan’ny olona ny toetra ! Izay mivadi-pitokisana no tena loza ka aoka tsy isika no ho toa an’izany. Tsy tahotra no anaovan-javatra fa asesiky ny fitiavana amam-piniavana. Amin’izay mahazo sitraka mandrakariva amin’ny tompony. Atrehi-mahefa, iambohana mahavita ny mpanompo mahatoky sy hendry, tsy miandry baiko akory, manao toy ny tompony amin’izay ataony rehetra. Ny mpanompo manao tsara ny asany ihany mantsy no mendrika sy ho sambatra fa izay manao tan-tsy vinitra, ala asa fay, zara raha vita ho voa amin’ny ataony ka mety ho zoin-doza. Lehibe ny sazin’izay mahalala kanefa tsy miomana akory na koa minia tsy manatanteraka ny sitrapon’ny tompony ; fa izay tsy nahalala kosa dia ho kelikely ihany ny saziny. Mazava eto ny hoe : "Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa." Kisarisary teny ihany eto ny mpanompo sy tompo fa isika eo anatrehan’Andriamanitra no tena izy ; koa mahaiza manompo Azy, dia ho sambatra isika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...