Alarobia 6 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4

Mirakitra ilay vavaka tsara indrindra nampianarin’i Jesoa ny Mpianany na koa hoe : “Rainay any an-danitra” ilay vavaka henontsika teo tao amin'ny Vaovao Mahafaly. Nahoana tokoa moa no atao hoe vavaka tsara indrindra ?

Satria Izy Andriamanitra Ray any an-danitra, mendrika indrindra, no hiantorahantsika sy hitodihana. Zavatra tsara indrindra ihany koa no hihantantsika Azy ary fahasoavana soa indrindra no omeny sy zarainy isan’andro vaky, dia ny fitiavany sy ny fitsimbinany izany.

Ny fanontaniana apetraka amin'ny tenantsika dia hoe : isika mpangataka kosa ve mba tsara indrindra ? Dia izay tsy fahamendrehana izay indrindra no tokony hampitodika antsika any Aminy satria hoy i Jesoa hoe : “fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa”. Araka izany dia manoro ny tena fomba fivavaka marina i Jesoa. Midika izany fa tsy tokony hatao antsirambina ny vavaka ataontsika satria sady rivotra fohana isan’ora, isan’andro, mba hampiaina ilay avokavoka ara-panahy, no resaka sy tafa mivantana ataontsika zanaka amin'Izy Andriamanitra Ray, ary koa fomba lavorary indrindra ifandraisana amin'Andriamanitra.

Dia inona tokoa àry ilay aim-panahy fonosin’io vavaka tsara indrindra io mba tsy ho lasa tsianjery fotsiny na ampahazarana fotsiny ny fanaovana azy ?

1° Vavaka kristianina mahaleo tena sy tonga lafatra, vavaka mifototra sy mahakasika ny tena maha isika antsika. Izany hoe ny maha zanak’Andriamanitra sy maha kristianina antsika. Tsy vavaka fangatahana fotsiny. Ny vavaka Rainay koa dia azo lazaina ho mamehy ny didy folo satria ny fanekentsika an’Andriamanitra Raintsika sy ny fanamasinantsika ny anarany amin'ny zavatra rehetra ary ny fikendrentsika ny fahatongavan’ny Fanjakany amin'ny fiainantsika. Izay hataontsika sy izay kasaintsika mantsy dia manampy sy manohana antsika ho afa-miaina ny didy folo.

2° Fanehoana fahavononana hanao ny sitrapony fa tsy sanatria handidy Azy hanatanteraka ny sitrapontsika. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hahatonga ny fanjakany eto amin'izao tontolo izao, izany hoe ny hisian’ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamasinana ary ny fandriampahalemana. Ho fanohizana ny finiavana hanatanteraka ny sitrapony no mbola angatahantsika ny famindram-pony — Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay — avelao ny fahotanay — aza avela ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay… Ireo no fahasoavana mihavosa tena ilaintsika mba hahafahantsika maneho eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny filokalokantsika hanao ny sitrapony sy te ho zanany marina.

Ray Masina ô, enga anie ny vavaka hataonay mba tsy ho vavaka maro teny fa mba hamelona ao aminay ilay toetra maha zanakao anay, satria zava-poana ny finoana sy ny vavaka rehetra raha tsy misy fitiavana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...