Talata 3 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36

Nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy. Nodidian’i Jesoa hiala teo ny mpianany rehefa vita izay natao fa tsy hijanona. Araka izany, tsy tsara ny mifikitra amin’ny toerana iray fa rehefa tenenina hoe miala dia lasa. Izany no maha iraka antsika rehetra. Tsy natao ho an’ny pretra na relijiozy ihany izany fa ho an’ny mpiandraikitra rehetra, eny hatramin’izay vita batemy rehetra koa aza. Tsy voatery ho tambatambazana foana akory fa indraindray mila terena mihitsy, toy ny eto, mba hiditra an-tsambokely, izay tsy inona akory fa ny Eglizy. Tsy handeha any ivelany fa handeha amin’ny sambo voatondro mazava. Koa tandremo sao diso fiditra sambo ka any an-kafa no mitetateta mandeha fa ho very lalana ka tsy ho tonga any an-tseranana, dia ny lanitra izany. Koa natao handehanana ny sambo eto fa tsy natao handrendrika.

Niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana Izy rehefa nampirava ny vahoaka ; ka Izy irery no teo nony alina ny andro. Ilaina mandrakariva ny mivavaka na miombona na samirery. Ilaina ny mihataka amin’ny hafa mba hivavaka. Koa tsy mitombona eto amin’ny vavaka ny hoe : very raha miala amin’ny maro fa vao mainka aza manampy mba hifantoka bebe kokoa hatrany. Mova tsy izany no ataon’ireo mpitoka-monina na lahy na vavy izany. Tsy izy ireny ihany anefa fa na isika koa aza, rehefa manao fiahatahana masina na matsom-panahy ka ampirisihina antsika indrindra ny hanao izany matetika araka izay tratra.

Izao koa anefa : mila miakatra an-tendrombohitra mba hivavaka. Mila mihanika izany. Tsy vita mora, tsy mandeha ho azy fa mila finiavana. Ka tandremo fa sao tsy nisasatra isika nivavaka, kanefa manantena valiny. Tsy mety izany. Tendrombohitra midika hoe : toerana fihaonana amin’Andriamanitra, azo lazaina ihany koa ankehitriny hoe : ny Eglizy. Averimberina ihany fa ilaina ny Eglizy fa toerana tsara ihaonana amin’Izy Tompo izany. Tsy mety ny mionona amin’ny hoe : "efa mivavaka izahay ato an-trano, tsy hitan’Andriamanitra ve ny fahorianay!" Fa tena ilaina mihitsy ny mankany am-piangonana. Aza tamanan’ny fihibohona noho ny Corona na mialokaloka amin’izany. Tsotra ny atoro antsika raha mikasika ny sedra eny ambony ranomasina : rehefa miaraka amin’Andriamanitra tafita foana fa tsy mahatohitra ny rivo-mahery manohintohina ny sambokely rehefa tsy eo Izy. Ny sedra tsy maintsy misy fa zava-dehibe takiana amintsika kosa ny finiavana hanohitra izany. Izao ihany koa : tsarovy fa na any am-piangonana aza mety hanilika an’Andriamanitra rehefa difotry ny asa fotsiny na vola ka takona Izy. Ao koa ny hoe mbola manavakavaka, mifanenjika, mifanaratsy, mifanilika… Koa raha tsy manao afa-tsy izany ireo rantsa-mangaika rehetra ao am-piangonana dia azo lazaina fa manilika an’Andriamanitra. Tsy hoe tsy ilaina ny asa sy ny vola fa tsy omena lanja be ireny ; aoka ho voalohan-daharana mandrakariva ny momban’Andriamanitra sy ny finoana. Ny vola mantsy fakam-panahy maha lavo matetika.

Diniho anie ny nanjo an’i Piera eto e : nidina avy eny an-tsambo izy, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy. Afaka nandeha teny ambony rano rehefa banjinina i Jesoa, nahavita zavatra igagana ; fa nanomboka nilentika kosa raha vao niherikerika, nijery ny rivotra. Na izany aza anefa maninji-tanana mandrakariva amintsika i Jesoa, ka nandray azy, tsy mamela antsika ho irery izany Izy. Aoka anefa ho hay tsara ny manavaka hoe tena tanan’i Jesoa ve izany sa an’i Satana. Fa tsy hoe raisina avokoa izay tanana mitsotra eo, betsaka ny manodoka amin’ireny. Koa aza misaraka aminy raha te ho tafita isika. Ka enga anie isika samy ho tody any an-tseranana avokoa. Ho tanteraka amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...