Alahady 01 aogositra 2021 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 24-35

Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaoma hitady an’i Jesoa. Isika ankehitriny vahoakan’Andriamanitra tsy mitsahatra mitady Azy ihany koa ka manao izay fomba rehetra hahitana Azy na any am-piangonana na amin’ny manodidina antsika, na amin’ny namana, na amin’ireo mahantra sy ory ary mijaly ary ireo ahilikiliky ny fiaraha-monina. Koa aza malaina mikaroka Azy fa isan’ny adidintsika vita batemy izany. Izay kamo ihany no tsy mitady, izay tsy mikaroka no tsy mahita.

Fa samy manana ny antony hitadiavana Azy. Eto izao lazain’i Jesoa ny antony itadiavan’ny olona Azy: “Ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky” Tsy te hiasa, tsy te hisasatra fa miandry mahazo, toy ny fasana na manodikodin-tanana fotsiny nefa te ho voky. Mazava ny lazain’i Jesoa: “Miasà ianareo”, izay no voalohany, koa aza kamo fa mihetsiketseha ; ny tohiny : “Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo.” Izao tokoa mantsy, raha toa ny ataontsika mikatsaka ny hanina mora levona no ikatsahantsika ny lanitra dia angamba efa ela no lanitra ny tany, fa ny mifanohitra amin’izany no tena mahamaika antsika.

Nanontany an’i Jesoa ny olona hoe : “Inona àry no hataonay”. Tsy voatery hiandry baiko na iraka avy amin’olona, fa azo atao tsara ny manira-tena fa efa mazava ny tanjona hoe : miasà hahazo ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na izany aza anefa nanoro ihany teto i Jesoa : “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny”. Araka izany, asa ny finoana, dia ny finoana Azy Kristy, Ilay irak’Andriamanitra. Indrisy anefa fa roa arivo taona aty aoriana mbola misy tsy mino izany ihany, manely firehan-kevitra hafa noho izany. Tsy miasa izany ireny olona ireny, ka aza manaraka azy sao diso lalana.

Toa fanamarinan-tena sy hakamoana ny fanontaniana sesilany nataon’ireto olona ireto tamin’i Jesoa, ny tsy hanaovana no tanjona, ka mitady ny fomba rehetra ialana bala ; koa aza mba manahaka azy isika.

Ankoatra izany, Ray mpiahy sy mpamelona Andriamanitra, ka tsy avelany ho mosarena isika fa omeny sakafo faran’izay tsara indrindra dia i Kristy Zanany lahitokana. Izy Ilay mofon’aina, mihoatra ny hanim-pito loha mahafadiana antsika rehetra, sakafo manome aina, mahavelona, fanomezan’ny Ray Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Koa aoka isika tsy ho diso anjara amin’izany, ary manaova ezaka mba tsy ho very anjara isika, toa an’ireo tokantrano imaso, aza omena hirika ny demony amin’izany. Fa raha mbola misy hevitra ihany dia manatona Azy matetika. Entina am-bavaka ireo tsy afaka manao izany fa miombona anjara amin’ny besinimaro. Satria mazava ny tenin’i Jesoa : "Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay." Ho to amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...