Alahady 13 jona 2021 — Alahady faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34

Resaka momba ny fanjakan'ny lanitra no entin'i Kristy amin'ny fampianarany eto, ary amin'ny alalan'ny fanoharana mandrakariva no fomba hampitany izany. Fanoharana miainga amin'ny zava-misy sy azo tsapain-tanana, mba ho tena azon'ny olona sy ho tafalatsaka ao an-tsainy izay lazaina. Lehilahy iray, mamafy voa amin'ny tany, nefa izy matory sy mahatsiaro isan'andro, fa ny voa kosa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny. Izany dia mpiseho fa fahefan'Andriamanitra no manjaka, ary ny fahaizan'Andriamanitra no mampiitatra ny fanjakany, satria fiainana ao amin'Andriamanitra izany.

Nefa misy ihany kosa ny anjara asan'olombelona, satria ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny vato aman-kazo, na amin'ny biby fa ao anatin'ny olombelona tsirairay, izay noariany hitovy endrika aminy. Anjaran'ny olona ny manana faharetana amin'izay ataony, fa Andriamanitra ihany no mampitombo, araka izay voalazan'ny ohabolana malagasy manao hoe : "Asa ankilaila ka an'Andriamanitra ny androatokony". Anjaran'ny olombelona ny mamadi-bainga, fa izy Andriamanitra no manao izay hahatomombana azy. Misy izany, ny fiaraha-miasan'Andriamanitra sy ny olombelona, fa tsy vitan'ny mandeha irery ny mampamokatra sy ny manitatra ny fanjakan'ny lanitra. Koa na tsy takatry ny saina aza ny mampitsimoka sy mampitombo azy, tsy maintsy misy ny fandraisana anjaran'ny olombelona, indrindra fa ny mpino kristianina.

Ny fanoharana momba ny voan-tsinapy indray, dia manambara fa izy Andriamanitra ihany no tompon'ny fahefana sy ny fahaizana, ary manerana ny tany ; fa isika olombena na isika kristianina kosa, dia miandry sy manantena amim-paharetana ary amim-pinoana mafy. Noho izany, ao amin'Andriamanitra, ary izy ihany, no manana ny zava-miafina indrindra ; fa isika kosa dia ny finoana velona sady mafy iainantsika azy, no mampitsimoka sy mampitombo ny fanjakany, ao anatintsika tsirairay avy, araka ny voalazany ao amin'i Masindahy Lioka 17, 6 manao hoe : "Raha manam-pinoana ohatran'ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe miongotaka ka mifindra any amin'ny ranomasina dia hanaiky anareo izy".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...