Alarobia 5 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

Raha mahatsikaritra isika mihaino izao fampianarana sy fifampizarana izao dia ilay Vaovao Mahafaly novakiana tamin’ny alahady lasa teo ity aroson’ny Eglizy ho antsika androany ity, izay mirakitra ilay fanoharana momba ny foto-boaloboka. Izany akory tsy mahasakana antsika tsy hanovo ny harem-pinoana sy aim-panahy tovozina ao amin’ny tenin’Andriamanitra. I Jesoa tokoa no ilay foto-boaloboka, izy no aina fototra. Ao aminy no miainga sy miorina ny fahavelomantsika.

Isika mpino kristianina no sampana. Ny sampana moa dia tsy afaka mivelona amin’ny tenany fotsiny izany fa miraikitra sy mifikitra amin’ny fototra sy ny vatana. Raha tsorina mazava dia raha tsy miombona amin’ny fototra ny sampana dia tsy afa-miaina, izany hoe tsy velona ka maty. Ary raha tsy velona dia tsy afa-mamokatra. Raha ambara mahitsy dia tsy ampy ny mitoetra na miray aina fotsiny amin’i Jesoa, fa tsy maintsy mamokatra ary mitondra vokatra mahafa-po.

Tsara ho marihina arak’izany fa toa manava-tena ny miala amin’ny fotony ka miaina sy misafidy ny tsy hiara-tsambatra amin’Andriamanitra satria asehony amin’ny fiainany izany.

Hamaranana azy àry, dia ao anatin’ny vanim-potoana mivaivay sady sarotra isika izao koa mba hanampy antsika hitodika amin’ilay foto-boaloboka sy fototry ny fiainana, ny fiombonana amin’ny alalan’ny vavaka ho an’ny isan-tokantrano, ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra sy ny fanaovana kômonio am-panahy amin’ny Eokaristia iombonantsika, amin’ny haino aman-jery isan’alahady, na dia tsy afaka manatrika mivantana aza isika.

Rehefa miombom-piainana sy miaraka amin’i Kristy isika dia tsy isika intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatintsika, hoy i Md Paoly, koa avia ry Jesoa avia , hitantana ity mpivahiny, fa iny manjombona iny ny lalan-klizoran’ny dia. Avia ry Jesoa avia. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...