Alarobia 28 aprily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50

"Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana aho", hoy i Jesoa, "mba tsy hitoetra ao anatin’ny haizaina izay rehetra mino ahy." Tonga i Jesoa hanambara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany. Ka noho izany izay tsy matoky ny teniny sy ny asany dia tsy mino ilay naniraka azy.

Ambarany mazava, fa izy no fahazavana, ka manoloana ny fahotana, ny tahotra, ny fisalasalana, ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, Izy no ho mpitantana, ho mpanazava ny dia, haneho hatsaram-po, ho mpiaro antsika mba hiainantsika miaraka amin’Andriamanitra amim-pinoana. Izany no asa nanirahan’ny Rainy azy, ka nandidian’Andriamanitra izay teny lazainy sy ampianariny. Tonga hanambara amintsika fa Andrimanitra Rainy dia Marina, Masina ary Mpamindra fo. Ka ny nahatongavany dia tsy hitsara izao tontolo izao, fa hamonjy antsika rehetra araka izany toetr’Andriamanitra izany.

Ka mazava ny hafatra Jesoa eto fa "izay manavo ahy ka tsy mitandrina ny teniko, misy izay hitsara azy amin’ny farandro dia ny teny nambarany, izay teny avy aminy Rainy. Izany hoe ny tsy finoantsika, ny tsy fahatokisantsika ny teny nambaran’i Kristy izay mirakitra nyfitiavan’Andriamanitra, no hitsarana antsika amin’ny farany. Ny tsy fahatokisana ny tenin’Andriamanitra izay no hitsarana antsika amin’ny farany. Koa havaozy àry ny fahatokisantsika ilay Kristy fahazavana izay manilo sy manzava ny fiainantsika isan’andro, ary angataho Izy mba ho haintsika mampiatra ny teniny amin’ny fiainana andavanandro, ho haintsika ny mampifanaraka ny teniny sy ny fiainantsika, ny toetratsika ary ny asantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...