Alahady 14 febroary 2021 — Alahady fahenina mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Miompana indrindra amin'ny aretina habokana no ambaran'ny Soratra Masina sy ny Fiangonana androany. Toy ny trangan'aretina miseho amin'izao fotoanantsika izao, dia ny Coronavirus izany, no toe-java-nisy taloha nanoloana ny aretina habokana. Izany hoe mampivarahontsana, areti-mandoza.

Ny fomba fiheveran'ny olona tamin'izany dia endriky ny fahotana ny habokana, izany hoe, ny fahotana no habokana voalohany amintsika kristianina. Hatramin'ny Testamenta Taloha ka hatramin'ny andron'i Jesoa dia noheverina fa areti-mandoza tokoa izany aretina izany satria hono hoe vokatry ny fahotana natao, vokatry ny fandikana ny didin'Andriamanitra. Raha akapoka amin'ny teny tokana dia hoe ny olona voan'ny habokana dia azo lazaina fa olona tena mpanota ary tena mpanota tena iringiriny.

Ny fofona sy ny nana mivoaka avy amin'ny fery no ilazana fa maloto ny boka iray. Ny olona azon'ny aretina habokana, araka ny lalana, dia tsy maintsy mankany amin'ny mpisorona, solontenan'ny Fiangonana, mba hojerena akaiky. Ka raha voamarina fa manana izany aretina izany izy dia atoka-monina : trano, fitafiana, fitaovana ampiasaina, eny fa na dia sanatria aza ka maty dia atokana hatramin'ny fasana ilevenany. Tena hoe voailika tanteraka.

Raha iverenantsika kely ny Vaovao Mahafaly teo, dia boka iray, nanatona an'i Jesoa, nampiseho fihetsika feno fanajana, izay hoe nandohalika. Fiangaviana sy fitalahoana feno fanetren-tena : "Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy". Tsy nitratrevatreva mihitsy ilay marary ary tsy nanery an'i Jesoa fa nipitrapitra hoe : "Raha sitrakao...!" Manoloana izany fihetsika izany indrindra, dia tsy nisalasala i Jesoa niteny hoe : "Mety aho, madiova ianao..." Tena hoe valinteny mahafapo, mamelombelona fanantenana no nasetrin'i Jesoa azy.

Ry havana, finoana no takian'Andriamanitra amintsika olombelna satria tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino. Noho ny finoan'ilay boka dia teny indraim-bava dia nanasitranan'Andriamanitra azy. Ny dikan'ny fanasitranana tokoa mantsy dia mamerina amin'ny laoniny indray ny fahasalamana. Manolotra fiainam-baovao ary mamerina ny olona sitrana ho eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana.

Jesoa ô, mihaino ny vavaky ny manetry tena Ianao ary manohitra izay mpiavonavona. Betsaka tokoa ny mety ho aretina habokana ao anatinay, indrindra ny haboka ara-panahy toy ny fitiavan-tena, ny fialonana, ny fihatsaram-belatsihy, ny avonavona... Enga anie ny finoanay Anao, mba hanaisotra izy aretim-panahy mpahazo anay izany. Masina Maria fahasitranan'ny maray, sitrano ny marary rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...