Alarobia 10 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23

Ry havana, andro vitsivitsy teo aloha izay ny Evanjely dia nanasongadina ny hoe vahoaka be mirohotra nanatona an’i Jesoa noho ny nahimpony, dia amin’izao kosa dia i Jesoa mihitsy no miantso ny vahoaka hankeo Aminy. Azo ambara araka izany fa ny fanatonana an’i Jesoa dia sady fanoloran-tena, no famaliana ny antson’Andriamanitra. Hoy rahateo Izy, any amin’ny Masindahy Joany 6, 44 hoe : “tsy misy olona mahay manatona ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy ary izaho hanangana azy amin’ny farandro”.

Eto àry, voataonan’Andriamanitra ireto vahoaka mba hiaino an’i Jesoa, hilazany mazava ny hoe tsy ny kazaran-javatra hohanina na sotroina akory no mahaloto ny olona. Tsy hoe mihinana hazan-drano na henakisoa na karazana sakafo hafa dia sokajiana ho maloto eo anatreh’Andriamanitra. Mazava ny fampianaran’ny Soratra Masina ny amin’io. Ohatra ao amin’ny 1Tim 4, 3-5 : “Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra ka tsy misy hatao fady rehefa raisina am-pisaorana, satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana”. Hanina noharian’Andriamanitra anefa ireny ka ny olona mpino sy mpahalala ny marina dia mihinana azy amim-pisaorana. Ny hany zavatra tsy tokony hadinoina kosa dia ny fivavahana sy ny fisaorana an’Andriamanitra.

Ny tsirairay, na tsy fady aza ny hanina sy fisotro, dia tokony handanjalanja amin’izay mety hahasoa sy hahatsara ny fahasalamana. Izay no mahatonga an’i Masindahy Paoly ao amin’ny 1 Kor 10, 23 hilaza hoe : “tsy misy fady ny zavatra rehetra nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra. Tsy misy fady ny zavatra rehetra nefa tsy àry mahasoa ny fanahin’olona avokoa izy rehetra”. Ohatra : tsy fady ny mihinana fa rehefa be tension kosa mila mitandrina. Ry havana, aoka tsy ho lany andro na ho difotra amin’ny ady hevitra ivelambelany isika fa ny tokony himasoana dia ny fananana fo mahay manaja tena, maontina, misokatra amin’ny rehetra ary tena miroana amin’Andriamanitra na misy mahita, na tsy misy mahita.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...