Zoma 7 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26

I Jesoa avy nandroaka demony no nanombohan’ny Evanjely henontsika androany. I Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao, ka noho izy fahazavana dia mandroaka ny maizina sy ny asany rehetra ary tsy vitan’izany fa manaparitaka ny tara-pahazavany mihitsy. Zavatra mifanohitra ny mazava sy ny maizina ka tsy afaka miaraka na oviana na oviana.

Misy tsy mino an’i Jseoa manoloana ny fahagagana nataony ka mangataka famantarana. Araka ny tenin’i jesoa ihany dia tsy misy fanjakana hiady an-trano, fa na dia ny ratsy aza dia mahay miray hina, kanefa tsy azo hadinoina fa na dia mahery aza i Satana dia mba mahery noho izy ny Mpamonjy, ary nampanantena an’i Piera izy fa ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. Tsy misy afaka manompo Tompo roa. Lalan-tokana no tokony harahantsika dia izay nizoran’i Jesoa ka diniho ny fiainantsiaka fa ndrao efa tsy ny lalany intsony ny lalantsika. Ambaran’ny Evanjely anio koa fa tsy amin’ny voalohany ihany isika no tokony ho maimay fo fa ny fananana faharetana ihany koa dia zava-dehibe sy ahazoana ny famonjena. Na dia efa maharitra sy mbola maharitra aza dia mila mitandrian araka ny voalazan’i Masindahy Paoly hoe ianareo izay mihevitra mijoro mitandrema sao lavo.

Ny teninao anie, ry Jesoa, hampianatra any hiambina. Hahay hampiray sy hamondrona ny olona miaraka aminao anie izahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...