Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

Ry kristianina havana ! Tsy araka ny eritreretina mihitsy ity tenin’i Jesoa ity : "Matokia anaka fa voavela ny helokao". Mampanontany tena antsika io tenin’i Jesoa io satria toa tsy misy hifandraisany amin’ny zava-misy akory, dia ny fitondrana olona malemy mankeo aminy. Efa nisy fotoana tany aloha tany nanambarana fa teo amin’ny fiaraha-monina jody sy ny fombam-pivavahany dia mifamatotra ny fahotana sy ny aretina. Na hoe : ny aretina dia fambara maneho ho hitan’ny olona fa manota na manam-pahotana ny olona iray. Raha jerentsika akaiky izany fomba fiheverana izany dia azontsika lazaina koa ny hoe ny olombelona dia vatana sy fanahy – lafy roa tsy azo sarahina ireo – ka mifaningotra tahaka izany koa ny ara-batana sy ny ara-panahy.

I Jesoa tokoa raha namonjy antsika dia isika olombelona manontolo mihitsy no novonjeny fa tsy hoe ny fanahy fotsiny ihany. Ny maha isika antsika olombelona mantsy dia izay maha vatana sy fanahy antsika izay ka tsy afa-misaraka ireo. Noho izany raha sitranina ny vatana dia tokony hositranina koa ny fanahy.

Angamba tsy afaka hilaza isika fa mbola tsy narary mihitsy, fa samy efa mba nandairan’aretina avokoa ny vatantsika saingy ny fisehony no tsy mitovy. Eo anatrehan’ireny fanaintainana amin’ny aretina izay manakorontana ny filaminan’ny vatantsika ireny no ahatsapantsika koa indraindray fa tsy milamina ny fanahintsika, fa toa misy fanahy maloto manakorontana. Na ihany koa rehefa tsy salama ny fanahintsika noho ny fahotana dia mazàna misy akony eo amin’ny vatantsika izany na dia tsy tsikaritra eo no ho eo, na tsy tsikaritra ety ivelany aza.

Tsy misy olona tsy manam-pahotana, fa ny endrika isehoany sy ny habetsahany fotsiny no tsy mitovy ; noho izany dia tokony ho ohatra ho antsika ireto olona mitondra ity marary eo amin’i Jesoa ireto. Mino izy ireo fa be famindram-po Andriamanitra ka hamerina ny hafenoan’ny fianinana amin’ity malemy, mba hanjary olom-baovao, salama vatana sy fanahy ka tsy ho vesatra ho an’ny hafa intsony. Izany toe-po amam-panahy mino an’Andriamanitra sy mahay manampy ny hafa izany dia toetran’ny Fiangonana izay tsy iza fa isika kristianina tsirairay ihany. Koa enga anie ireo rehetra mila ny famindram-pon’i Jesoa mba tsy ho diso anjara amin’izany noho ny fiainantsika ny maha kristianina antsika na aiza na aiza misy antsika. Enga anie ihany koa isika tsy hanao tsinontsinona ny sakramentan’ny fampihavanana izay fanafody tsy manan-tsahala manasitrana ny aretin’ny fanahintsika.

Ry Jesoa Tompo ô ! Mba afaho amin’ireo halemen’ny fanahy amam-batanay izahay fa mino sy matoky Anao. Ary enga anie ny finoanay no hitondra fahasoavana ho an’ireo rehetra mila ny famonjena avy aminao koa. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...