Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

Endrika, fomba iainana ny finoana an'Andriamanitra, ifandraisana aminy ny manao fiantrana, ny mivavaka ary ny mifady hanina. Ilana toe-tsaina ary toe-panahy lalina anefa ireo mba hiantefa tanteraka any amin'Andriamanitra ary hisy akony sy vokany ho antsika manatanteraka izany.

Ny fijerintsika dia tsy ho fijerin'Andriamanitra velively. Koa raha avantana any amin'Andriamanitra ny ataontsika dia ny fomban'Andriamanitra no arahina. Fampianarana ataon'i Kristy antsika izany, araka ny Evanjely nambara teo : "Tandremo fa sao ataonareo eo imason'olona ny asa soa ataonareo mba hahitany azy fa raha izany dia tsy hahita valisoa amin'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo". Aoka ho amim-pitiavana sy ho amim-panetren-tena tanteraka no hiainantsika ireo fomba kristianina ireo. Andriamanitra tsy mitsara ivelany fa mandinika ny fo sy ny voa, mijery ny maha izy azy ny olona rehetra, fa indrindra izay ataontsika sy ny fomba entintsika manatanteraka izany.

Vavaka : adidy sy fiainana maha kristianina izany, ifandraisana lalina amin'Andriamanitra, mirakitra ny maha isika antsika eo anatrehany ka tsy atao am-pihatsarambelatsihy.

Fiantrana : fitiavana hita maso vokatry ny finoana, tsy hikendrena tombontsoa ary tsy ilana dera.

Fifadian-kanina : fahatsapana ny maha mpanota vokatry ny ratsy mitoetra ao anaty ka ilana fanetren-tena.

Aoka àry, tsy hataontsika fombafomba fotsiny fa ampifanarahantsika amin'ny fampianaran'i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...