Adidy lehibe ho antsika ny fiahina ny zokiolona. Ny fahasahiranana misy foana fa tokony atao anton-draharaha mihitsy ny famangiana ray aman-dreny matetika, hoy ny Papa François. "Izay mahavangivangy tian-kavana", hoy ihany koa ny fahendrena malagasy. Catéchèse du Pape François sur la famille, avec P. Justolat Rafaralahmboa.

0 : 00

Tsy hoe isaky ny misy fety sy asaramanitra ihany vao mody mamangy. Arirarira amin’ny hoe manatitra solom-bodiakoho.  Zon’izy ireo izany. Ilaina ny finiavantsika mamangy azy ireo any amin’ny misy azy . Ankehitriny koa moa efa tsy hasarotina ny famatsiana vola isakarazany fa atao “en ligne” izany dia vita. Aza adinoina fa tena zava-dehibe ho azy ireo ny fahatongavanao mamangy azy. Tsy mbola very akory ny soatoavina maha Malagasy antsika milaza hoe “izay mahavangivangy tian-kavana”. Nambaran’ny Papa Ray Masina fa anisan’ny fahotana mahafaty ny tsy famangiana ireny zokiolona sy ray aman-deny be ireny koa aoka isika samy handini-tena.

Tantara iray mampisaina sy mampieritreritra ihany koa notantarain’ny Ray masina, momba ny zava-misy any amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina any, maneho ny endrika fanilikilihana ataontsika ireny zokiolona sy be antitra efa osa ireny. Tsy fidiny azy ireny anie ny fahosany e. Tao amin’ny ankohonana iray hoy ny Papa François, nisy ray sy renim-pianakaviana iray, nisy dadabe efa antitra ary zazakely iray zanak’izy ireo. Ilay dadabe dia efa mangozohozo mihitsy noho ny fahanterany ka ireny efa mangovitra ireny ny tanany. Rehefa misakafo izy dia vitany ihany ny misakafo saingy vokatr’ilay izy efa mangovitra dia maloto ny fitafiany sy ny latabatra hihinanany noho ireo sakafo mipitipitika voktr’izy efa mangovitra. Tokony ho fahanana izany izy raha ny manimarina kokoa. Indray andro hoy ny Papa nanasa vahiny hisakafo any aminy ireto fianakaviana ireto. Rehefa teo amin’ny sakafo dia tsy te ho afabaraka izy ireo noho io dadabe io mandoto latabatra rehefa misakafo satria izy efa antitra sy efa mangovitra dia nanokanan’izy ireo latabatra kely tao an-dakozia izy dia tao no nihinana nandritra ny fotoana nisakafoanan’izy ireo. Dia niverimberina foana ity fomba fanaony manilika ilay dadabe any an-dakozia ity isaky ny misy vahiny asaina na tonga miaraka misakafo.

Tsikaritr’ilay zaza izany zavatra izany dia inona no nataony rehefa milalao izy: naka hazo izy dia nalainy ny tantanana sy ny fantsika ary ny tsofa tao an-trano. Hoy ireto ray aman-dreniny mantsy azy raha nahita an’izany hoe : "ataonao inona ireo zavatra ireo anaka?" Dia novaliany hoe "handrafetako latabatra kely ho an’i Dada hisakafoan’i dada rehefa osa hoatran’i dadabe i dada". Mampisaina ilay raim-pianakaviana ity zaza ity hoe sao dia tsy ny fanilihana azy any an-dakozia no vahaolana amin’ny tsy fahafahany mitazona sotro intsony.

Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, audience générale 04 mars 2015

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...